Hijery ny anatiny

3 NOVAMBRA 2020
TURKMÉNISTAN

Nafahana ny Rahalahy Petrosov any Turkménistan Rehefa avy Nigadra Herintaona

Nafahana ny Rahalahy Petrosov any Turkménistan Rehefa avy Nigadra Herintaona

Mipetraka any Turkménistan ny Rahalahy David Petrosov, izay 19 taona. Nosedraina ny finoany na dia mbola tanora aza izy. Nogadraina herintaona izy satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nafahana izy tamin’ny 30 Septambra 2020.

Hoy ny Rahalahy Petrosov: “Nisy fotoana aho tena nalahelo be tamin’izaho tany am-ponja. Nampahery ahy tamin’ny alalan’ny Teniny anefa i Jehovah. Fantatro hoe takany tsara ny fihetseham-poko sady te hampahery ahy izy, dia vao mainka aho te hivavaka aminy foana. Be dia be ny andinin-teny nanampy ahy, fa ny Filipianina 4:13 no tadidiko matetika.”

Teraka tao Ashgabat, renivohitr’i Turkménistan, ny Rahalahy Petrosov. Nianatra gitara izy rehefa nihalehibe. Tia mamoron-kira izy, tia manao baolina, tia mianika tendrombohitra, ary tia milomano eny amin’ny farihy.

Nianatra Baiboly tamin’ny mpiara-mianatra taminy Vavolombelon’i Jehovah izy ary natao batisa tamin’ny 2019. Tsy Vavolombelona ny fianakavian’i David nefa manaja ny fivavahany sy ny zavatra inoany momba an’Andriamanitra.

Niakatra fitsarana i David, taoriana kelin’ny batisany, satria tsy nety nanao miaramila. Tsy misy fanompoana sivily azo atao ho solon’ny fanaovana miaramila any Turkménistan ka nomelohin’ny manam-pahefana higadra herintaona i David.

Nampian’i Jehovah foana ny Rahalahy Petrosov tamin’izy tany am-ponja. Hoy izy: “Nanao mampamangy ahy ny rahalahy sy anabavy tsy afaka nitsidika ahy dia nampitain’i Neny tamiko izany. Nilaza i Neny hoe nivavaka ho ahy foana ry zareo. Faly be aho!”

Fantatr’i David hoe mety hantsoina fanindroany hanao miaramila izy, araka ny lalàna any Turkménistan. Mety ho voaheloka sy higadra ela kokoa àry izy raha ampiharina aminy izany lalàna izany.

Hoy i David: “Tsy te hiverina any am-ponja aho, hoatran’ny olona rehetra ihany. Tsy matahotra anefa aho. Be herim-po aho satria matoky an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo. Mampahery ahy koa ny hiran’ilay Fanjakana.”

Matoky isika hoe ampian’i Jehovah foana i David mba hanam-pinoana sy ho be herim-po. Mbola misy rahalahy folo migadra izao any Turkménistan satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Mivavaka ho azy ireo isika. Fantatsika hoe tsy hadinon’i Jehovah izy ireo ary tiany sy tohanany foana.—Salamo 69:33.