Hijery ny anatiny

Rahalahy Selim Taganov

24 NOVAMBRA 2020
TURKMÉNISTAN

Nafahana ny Rahalahy Taganov any Turkménistan Rehefa avy Nigadra Herintaona

Nafahana ny Rahalahy Taganov any Turkménistan Rehefa avy Nigadra Herintaona

Hoy ny Rahalahy Selim Taganov rehefa nafahana, tamin’ny 3 Oktobra 2020: “Ampian’i Jehovah ho tony aho rehefa mivavaka aminy.” Mbola vao 19 taona i Selim nefa efa nogadraina herintaona satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Teraka tany Ashgabat, renivohitr’i Turkménistan, i Selim. Nahay be izy tany am-pianarana ary tia mozika. Tiany ny mamoron-kira sy mihira ary mitendry gitara. Milaza ny ray aman-dreniny sy ny rahalahiny roa ary ny namany hoe olona tsara fanahy sy falifaly izy. Hoy ilay mpisolovava nasain’ny fitsarana niaro an’i Selim, talohan’ny nanamelohana azy: “Ankizy hendry sy tsara fitondran-tena izy. Tsy mifoka sigara izy sady tsy miboboka toaka. Vao afaka baka izy, ary hanimba azy fotsiny ny fampidirana azy am-ponja.”

Marina hoe mafy ny fiainana any am-ponja. Hoy anefa i Selim: “Vao mainka aho akaiky an’i Jehovah rehefa tany am-pigadrana. Tadidiko ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly, dia lasa mazava amiko kokoa ilay izy. Betsaka koa ny andinin-teny nampahery ahy, ohatra hoe ny Isaia 41:10, 11.

“Mafy be tamiko ny fotoana nampidirana ahy am-ponja vonjimaika satria tsy nisy olona azoko nifampiresahana sy mba nilazako ny fihetseham-poko. Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah anefa aho. Lasa nanohana ahy ny gadra sy ny mpiambina sasany avy eo, sady nampahery ahy mihitsy aza, nefa nandrahona sy nampitahotra ahy ry zareo talohan’izay. Izany rehetra izany no nahitako hoe tena nanohana ahy i Jehovah.”

Nampahery an’i Selim koa ny mpiara-manompo. Hoy izy: “Be dia be no nanao mampamangy ahy sy nilaza hevitra mampahery tamiko, tamin’izaho tany am-ponja. Notadidiko foana ireny dia naverimberiko tao an-tsaiko. Nampahery ahy izany sady nanampy ahy hatanja-tsaina.”

Mety mbola hantsoina hanao miaramila i Selim, araka ny lalàna any Turkménistan. Fantatr’i Selim hoe mety hogadraina ela kokoa izy raha mbola hantsoina fanindroany. Hoy izy: “Tsy matahotra aho raha mbola misy fitsapana hafa. Fantatro mantsy hoe hanampy ahy foana i Jehovah. Izany no mahatonga ahy ho be herim-po sy hatoky azy.”

Fantatsika hoe hiatrika fitsapana daholo isika. Mampahery antsika i Selim hoe: “Ho an’izay mbola hiatrika fitsapana hoatran’ny nahazo ahy, dia tadidio ilay voalazan’ny Isaia 30:15 hoe: ‘Ny tsy fahataitairanareo sy ny fatokisanareo no ho tanjakareo.’”