Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Maksat Jumadurdyyev

28 JANOARY 2021
TURKMÉNISTAN

Nigadra Fanindroany ny Rahalahy Maksat Jumadurdyyev fa Tsy Nanaiky Hanao Miaramila

Nigadra Fanindroany ny Rahalahy Maksat Jumadurdyyev fa Tsy Nanaiky Hanao Miaramila

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny fitsarana tany Turkménistan ny Rahalahy Maksat Jumadurdyyev tamin’ny 18 Janoary 2021. Voaheloka higadra roa taona izy satria tsy nanaiky hanao miaramila.

Ilay voampanga

Maksat Jumadurdyyev

  • Teraka: 2000 (Seydi, Faritr’i Lebap)

  • Mombamomba azy: Manana anabavy roa. Mpianatra mahay be. Tia manao spaoro. Mahay manao sary sy mandoko. Manetry tena sy manao ny marina ary mazoto miasa no amantaran’ny mpiray tanàna aminy azy

    Tamin’ny 2018 izy no nianatra Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2019. Izy irery no Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny fianakaviany

Mombamomba an’ilay raharaha

Efa nigadra herintaona ny Rahalahy Maksat Jumadurdyyev, satria tsy nety nanao miaramila. Nafahana izy tamin’ny 17 Jolay 2019. Mbola voantso hanao miaramila indray anefa izy tamin’ny Martsa 2020, satria azo melohina fanindroany izay olona tsy mety hanao miaramila any Turkménistan. Nandefa taratasy manazava hoe tsy hanao miaramila izy, na dia efa fantany aza fa mety hahatonga azy higadra indray izany.

Nadinadinina imbetsaka sady nasaina nanao fitiliana ara-pahasalamana i Maksat. Dia taorian’izay, izany hoe tamin’ny 30 Desambra 2020, dia nomelohin-dry zareo hoe mpanao heloka bevava indray izy. Nalain’ny manam-pahefana koa ny pasipaorony.

Mafy be taminy ilay izy notsaraina voalohany sy nigadra tany am-ponja. Hoy i Maksat: “Ilay nisaraka tamin’ny ray aman-dreniko no mafy indrindra tamiko, rehefa nalefa tany am-ponja aho tamin’ny 2018. . . . Tsy Vavolombelon’i Jehovah mantsy ny ray aman-dreniko dia tsy hanampy an’ahy, hono, ry zareo raha izay no safidiko.”

Hoy i Maksat: “Ny Marka 10:29, 30 no tena nanampy an’ahy hiaritra an’ilay misaraka amin’ny fianakaviana sy namana. Nilaza mantsy i Jesosy ao fa raha mamoy zavatra iray isika noho ny anarany sy noho ny vaovao tsara, dia hahazo avo zato heny.”

Imbetsaka i Maksat no nahita tamin’izy tany am-ponja hoe namaly ny vavaka nataony i Jehovah, dia nanisy lalan-kivoahana tamin’ny zavatra mafy niaretany. Tadidin’i Maksat foana ilay voalazan’ny Josoa 1:9 hoe: “Manàna herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro, fa hanampy anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.”

Nilaza i Maksat, talohan’ity fitsarana azy fanindroany ity, fa tapa-kevitra ny hanaraka ny feon’ny fieritreretany foana izy, satria izay no mifanaraka amin’ny lazain’ny Baiboly. Hoy izy: “Fantatro hoe hanampy an’ahy i Jehovah na inona na inona mitranga, na tsy maintsy higadra fanindroany aza aho. Tena manampy ahy ho be herim-po sy ho tony ny torohevitra ao amin’ny Filipianina 4:6, 7.”

Mivavaka ho an’i Maksat foana isika dia mivavaka ho an’ny rahalahintsika hafa be herim-po, satria manohana ny zon’i Jehovah izy ireo. Matoky tanteraka isika fa homen’i Jehovah valisoa be mihitsy ireo rahalahintsika tsy nivadika sy nigadra ireo.​—Apokalypsy 2:10.