Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Nazar Alliyev

11 FEBROARY 2021
TURKMÉNISTAN

Nogadraina Herintaona ny Rahalahy Nazar Alliyev Satria Tsy Nety Nanao Miaramila

Nogadraina Herintaona ny Rahalahy Nazar Alliyev Satria Tsy Nety Nanao Miaramila

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny fitsarana tany Turkménistan ny Rahalahy Nazar Alliyev tamin’ny 10 Febroary 2021, satria tsy nety nanao miaramila, dia nogadrainy herintaona.

Ilay voampanga

Nazar Alliyev

  • Teraka: 2000 (Faritr’i Lebap)

  • Mombamomba azy: Mipetraka any Türkmenabat izy sy ny mamany, miaraka amin’ny zokiny lahy sy ny zandriny vavy. Manao volley sy baolina kitra no fialamboliny. Misy aretim-po karazany roa izy. Manety no asany, mba hamelomany ny fianakaviany

    Ny maman-dry zareo no nampianatra azy an’izay lazain’ny Baiboly. Vita batisa tamin’ny 2015, tamin’izy 14 taona. Falifaly foana no amantaran’ny olona azy, tia manome, ary manetry tena. Manohana ny heviny koa ny fianakaviany, amin’ilay izy tsy manaiky hanao miaramila

Mombamomba an’ilay raharaha

Nentina tany amin’ny birao mikarakara ny fiantsoana miaramila ny Rahalahy Nazar Alliyev tamin’ny 16 Mey 2020. Noteren’ny manam-pahefana hanao fanamiana miaramila izy, ho porofo hoe lasa miaramila, saingy tsy nanaiky mihitsy. Mbola nihaona tamin’ny manam-pahefana indray i Nazar taorian’izay, tamin’ny 28 Mey, fa mbola tsy nanaiky ho lasa miaramila ihany. Nandefa taratasy tany amin’ilay birao mikarakara ny fiantsoana miaramila i Nazar, ny volana nanaraka, ka nohazavainy tao ny antony avy ao amin’ny Baiboly, mahatonga azy tsy hanao miaramila.

Nankany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna tany amin’ny faritr’i Khojambaz i Nazar sy ny mamany, tamin’ny 4 Janoary 2021. Nohazavain’i Nazar hoe maninona izy no tsy manaiky hanao miaramila, ary nangataka hanao fanompoana sivily izy ho solon’izay. Na efa niezaka be hoatr’izany aza anefa i Nazar, dia mbola hozy ihany ilay nanadinadina azy hoe mety ho voaheloka i Nazar.

Hoy i Nazar, 20 taona izao: “Homen’i Jehovah fiadanana anaty ianao, rehefa miantehitra aminy amin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Lasa tony ianao rehefa miresaka satria ampian’i Jehovah.”

Hoy koa izy: “Rehefa mieritreritra an’ireny zava-nitranga ireny aho, dia tena hitako hoe nanohana ahy foana i Jehovah. Manome toky ahy izany hoe mbola hanampy ahy koa izy amin’ny hoavy.”

Tsy mamela ny olona hanao fanompoana sivily ho solona fanaovana miaramila ny any Turkménistan. Lasa migadra roa taona àry ny rahalahy tanora tsy mety hanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Misy 15 izao ny rahalahy tanora migadra any Turkménistan satria tsy mety hanao miaramila.

Fantatsika fa mbola “tsy mivadika” amin’i Nazar sy ny rahalahintsika tanora hafa any Turkménistan foana i Jehovah.​—Salamo 18:25.