Hijery ny anatiny

8 FEBROARY 2021
TURKMÉNISTAN

Nomelohina Higadra Fanindroany ny Rahalahy Artur Yangibayev Satria Tsy Nanaiky Hanao Miaramila

Nomelohina Higadra Fanindroany ny Rahalahy Artur Yangibayev Satria Tsy Nanaiky Hanao Miaramila

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny Fitsarana any Turkménistan higadra roa taona ny Rahalahy Artur Yangibayev, tamin’ny 18 Janoary 2021, satria tsy nanaiky hanao miaramila. Fanindroany izay izy no voasazy noho io antony io.

Ilay voampanga

Artur Yangibayev

  • Teraka:1997 (tao Seydi)

  • Mombamomba azy: Niatrika zava-tsarotra maromaro i Artur tamin’ny fahazazany, dia lasa saina izy hoe nahoana no be dia be ny tsy rariny. Noresahiny tamin’ny anabaviny Vavolombelon’i Jehovah ilay fanontaniany. Lasa nianatra Baiboly àry izy tamin’izy 13 taona, ary natao batisa tamin’ny 2014.

    Mpanao fanorenana ny asany, izany hoe manavao trano. Nilaza ny ray aman-drenin’i Artur hoe zanaka hendry sy mandray andraikitra izy. Hajain’ny mpiray tanàna izy satria tanora manao ny marina.

Mombamomba an’ilay raharaha

Notanana am-ponja vonjimaika i Artur, tamin’ny 8 Aogositra 2016, satria tsy nanaiky hanao miaramila. Nosazina roa taona izy nanomboka tamin’ny 30 Aogositra. Voaefany ilay sazy tamin’ny Septambra 2018.

Voantso hanao raharaha miaramila fanindroany izy tamin’ny 15 Desambra 2020. Tsy ela taorian’izay dia voantso tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna izy ary natao famotorana. Nasaina nanazava ny antony tsy hanaovany miaramila izy, sady nasaina nanao an’izany an-tsoratra.

Nilaza taminy ny biraon’ny mpampanoa lalàna, tamin’ny 30 Desambra fa nampangaina ho mpanao heloka bevava izy ka nalaina ny pasipaorony.

Nilaza i Artur fa taorian’ilay izy voasazy voalohany dia ‘nanome toky azy ny Romanina 8: 37-39 hoe tsy misy na iza na iza afaka manery azy hivadika amin’i Jehovah.’ Matoky isika fa mbola ho vitan’i Artur ny hiatrika an’ity fisedrana ity satria hampian’i Jehovah izy.