Hijery ny anatiny

Rahalahy Veniamin Gendjiyev

3 FEBROARY 2021
TURKMÉNISTAN

Nomelohina Higadra Roa Taona ny Rahalahy Gendjiyev Satria Tsy Mety Manao Miaramila

Nomelohina Higadra Roa Taona ny Rahalahy Gendjiyev Satria Tsy Mety Manao Miaramila

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny fitsarana iray any Turkménistan higadra roa taona ny Rahalahy Veniamin Gendjiyev, tamin’ny 19 Janoary 2021, satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Ilay voampanga

Veniamin Gendjiyev

  • Teraka: 2000 (Seydi)

  • Mombamomba azy: Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Lasa mpitory tamin’izy 15 taona. Vita batisa tamin’izy 19 taona. Malemy fanahy sy mora iresahana

    Niofana ho mpanamboatra fiara. Tia mitendry gitara. Nananihany azy ny mpiara-mianatra taminy noho ny finoany. Nianatra niaro ny finoany miorina amin’ny Baiboly

Mombamomba an’ilay raharaha

Nomelohina higadra herintaona izy, tamin’ny Jolay 2018, noho izy tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nafahana izy tamin’ny 25 Jona 2019.

Nantsoin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna any Dyanev izy, tamin’ny 25 Desambra 2020. Nasain’ny manam-pahefana nataony an-tsoratra hoe inona no antony tsy hanaovany miaramila. Nilaza taminy ny biraon’ny mpampanoa lalàna, tamin’ny 30 Desambra 2020, hoe ampangaina fanindroany ho nanao heloka bevava izy. Nalain’ny manam-pahefana ny pasipaorony.

Hoy i Veniamin momba an’ilay izy nigadra voalohany: “Tsapako hoe nanampy ahy i Jehovah. Nomeny hery aho mba hahafahako miaritra, dia nihanatanjaka ny finoako. Nivavaka tamin’i Jehovah aho ary niresaka momba ny vaovao tsara tamin’ireo voafonja niaraka tamiko. Izany no nanampy ahy rehefa nitady ho kivy aho.

“Niteny tamiko foana ny ray aman-dreniko tamin’izaho nigadra hoe tsy manadino ahy ny olona hafa na dia tsy afaka mitsidika ahy aza. Izany no nanampy ahy hiaritra, mandra-panefako ny saziko.”

Tena nanatanjaka an’i Veniamin ny Isaia 54:17. Milaza ny ampahany amin’ilay andininy hoe “tsy hisy hahomby izay fiadiana amboarina hamelezana anao.” Manampy azy hiaro ny finoany sy hahavita hiaritra ny andinin-teny hoatran’io sy ny vavaka ataontsika.