Hijery ny anatiny

Rahalahy Serdar Dovletov, tamin’ny Jona 2019

9 DESAMBRA 2019
TURKMÉNISTAN

Turkménistan: Migadra Telo Taona ny Rahalahy Dovletov Satria Tsy Mety Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Turkménistan: Migadra Telo Taona ny Rahalahy Dovletov Satria Tsy Mety Manao Miaramila Noho ny Feon’ny Fieritreretany

Namoaka didy ny fitsarana iray any Turkménistan, tamin’ny 12 Novambra 2019, hoe voaheloka higadra telo taona ny Rahalahy Serdar Dovletov, 26 taona. Folo àry izao ny rahalahy migadra any Turkménistan, satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany: Ny fito nomelohina tamin’ny 2019 ary ny telo tamin’ny 2018. Herintaona ka hatramin’ny efa-taona ny sazin’izy ireo.

Mipetraka any Baýramaly, any Mary, any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Turkménistan, ny Rahalahy Dovletov. Vavolombelon’i Jehovah koa i Surya vadiny sy Sonya reniny.

Niakatra fitsarana voalohany ny Rahalahy Dovletov, tamin’ny 11 Novambra 2019. Nohazavainy teo anatrehan’ny fitsarana hoe tsy eken’ny sainy ny hanao miaramila, noho ny zavatra inoany. Nisy dokotera telo koa nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ny fitsarana hoe marary mafy ny Rahalahy Dovletov ka tsy ho afaka hanao miaramila.

Na teo aza izany rehetra izany, dia nomelohin’ilay fitsarana higadra ihany ny Rahalahy Dovletov satria hoe manao zavatra tsy ara-dalàna mba tsy hanaovana miaramila. Azo antoka hoe halefa migadra miaraka amin’ireo rahalahy sivy ao amin’ny fonja any Seydi izy ato ho ato. Any an-tany efitra any Lebap no misy azy io ary mampijaly be ny fiainana ao amin’ilay fonja. Nampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny Rahalahy Dovletov.

Mivavaka ho an’ny rahalahintsika any Turkménistan isika satria tena miaritra ny tsy rariny izy ireo. Matoky tanteraka isika hoe hanohana azy ireo i Jehovah. Efa nampanantena mantsy izy hoe hampiany ny mpanompony be herim-po sy tsy mivadika aminy.—Salamo 37:18, 24.