Hijery ny anatiny

Ny rahalahy Eziz Atabayev rehefa nafahana tany am-ponja

18 JANOARY 2021
TURKMÉNISTAN

“Vitako ny Niatrika An’ilay Fitsapana Noho ny Fanampian’i Jehovah”

“Vitako ny Niatrika An’ilay Fitsapana Noho ny Fanampian’i Jehovah”

Nogadraina roa taona tany amin’ny fonjan’ny Turkménistan ny Rahalahy Eziz Arabayev, ary nahavita niaritra sy tsy nivadika mihitsy izy. Nigadra izy satria tsy nanaiky hanao raharaha miaramila. Nafahana anefa izy tamin’ny 19 Desambra 2020. Tao anatin’ny 10 taona lasa, dia rahalahy 46 no nigadra tao amin’ilay tany satria tsy nety nanao raharaha miaramila.

Nanomboka tamin’ny 2016 ny olana nahazo ny rahalahy Atabayev rehefa voantso hanao miaramila izy. Nanda anefa izy satria tsy nety tamin’ny feon’ny fieritreretany izany. Nalefa tany amin’ny biraon’ny mpampanoa lalàna àry ny raharaha nahakasika azy. Niakatra fitsarana izy roa taona latsaka tatỳ aoriana. Nomelohin’ny fitsarana higadra roa taona izy, tamin’ny 19 Desambra 2018.

Nilaza i Eziz hoe: “Niresaka imbetsaka tamin’ny rahalahy efa niatrika an’ilay toe-javatra sy efa nigadra aho talohan’ny nidirako am-ponja. Noresahin-dry zareo ahy ny zavatra mety hitranga any amin’ilay fitsarana sy any am-ponja mba hiomanako. Namaky tantaram-piainan’olona samihafa tao anatin’ny boky sy gazetintsika aho. Dia namaky andinin-teny nampahery tao amin’ny Baiboly koa.”

“Ny marainan’ilay andro hitsarana ahy, dia nisy rahalahy izay nampiseho ahy an’ilay Isaia 30:15, hoe: “Hatanjaka ianareo raha tony foana sy feno toky.” Nanampy ahy mba ho tony foana sy hiantehitra tamin’ny Jehovah tamin’ny zava-drehetra io andininy io. Nosaintsainiko foana ilay izy, dia izany no tena nanampy ahy hiaritra nandritra ny fotoana nigadrako.”

Marina hoe efa mafy be ny fiainana tany am-ponja kanefa ilay nisaraka tamin’ny fianakaviany no mafy indrindra taminy. Hozy hoe: “Lasa akaiky be an’ireo rahalahy niara-nigadra tamiko aho, tamin’izaho tany am-ponja. Lasa mpinamana be izahay dia ry zareo no nanampy ahy rehefa nalahelo be ny fianakaviako sy ny namako aho.”

Nanararaotra nitory i Eziz. Nilaza izy hoe: “Tsy nandray ny gadra sasany rehefa nitoriako voalohany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia lasa nandray ihany ireo gadra nanohitra taloha. Rehefa nisy gadra vaovao koa tonga tao, dia nanohatra ry zareo rehefa nitoriako satria mbola tsy nahafantatra ahy. Niaro ahy anefa ny gadra efa nahafantatra ahy sy efa nitoriako, dia ry zareo indray no miresaka ny zavatra nianarany amin’ireo gadra vaovao.”

Nilaza toy izao i Eziz mba hanampy antsika ho vonona amin’ny fisedrana mbola ho avy: “Ny torohevitro angamba dia hoe manaova fianarana samirery tsara dia aboraho amin’i Jehovah amin’ny vavaka ny zava-drehetra. Resaho aminy daholo izay fihetseham-ponao, ohatra hoe rehefa matahotra na izay zavatra tsapanao. Teneno azy daholo ny zava-drehetra.”

“Vitako ny niatrika an’ilay fitsapana noho ny fanampian’i Jehovah. Matoky tanteraka aho izao fa mbola hanohana ahy indray izy. Tsy matahotra an’izay fitsapana mbola ho avy aho.”​—Salamo 118:6.