Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Rasul Rozbayev

23 MARTSA 2021
TURKMÉNISTAN

Voaheloka Fanindroany ny Rahalahy Rasul Rozbayev, Izay 21 Taona, Satria Tsy Nanaiky Hanao Miaramila

Voaheloka Fanindroany ny Rahalahy Rasul Rozbayev, Izay 21 Taona, Satria Tsy Nanaiky Hanao Miaramila

Didim-pitsarana

Namoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Rasul Rozbayev ny fitsarana iray any Turkménistan, tamin’ny 16 Martsa 2021. Voaheloka higadra roa taona izy satria tsy nanaiky hanao miaramila. Efa fanindroany amin’izao izy no voaheloka noho izany antony izany.

Ilay voampanga

Rasul Rozbayev

  • Teraka: 1999 (tany Khallang)

  • Mombamomba azy: Manana zoky vavy roa sy zandry lahy anankiray. Rehefa vita ny fianarany teny amin’ny lise, dia nianatra ho mpanety izy. Tia milalao baolina kitra sy manao voley ary milomano

    Lasa Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny tamin’izy mbola kely. Natao batisa tamin’ny 2013

Mombamomba an’ilay raharaha

Tamin’ny 19 Desambra 2017 ny Rahalahy Rasul Rozbayev no voaheloka voalohany, satria tsy nety nanao miaramila. Nosazina nandritra ny roa taona izy. Nasaina nikarakara tany izy dia namboly varimbazaha teo, ary nanome ny 20 isan-jaton’ny vokatra ho an’ny fanjakana. Lavitra be ny tranony ilay tanimboly nefa izy tsy misy fiara, dia tsy maintsy mandeha tongotra izy rehefa mankany.

Araka ny lalàna misy any Turkménistan, dia mbola azo melohina fanindroany ny olona iray tsy mety manao miaramila. Nandeha tany amin’ny birao miandraikitra ny fiantsoana ho miaramila i Rasul tamin’ny 22 Aprily 2020 mba hilaza fa tsy hanao miaramila. Voantso tany foana izy nanomboka teo, dia natao famotorana, nojeren’ny dokotera ny toe-pahasalamany, ary norahonana foana izy nandritra ny volana maromaro hoe hogadraina. Nalefa tany amin’ny mpampanoa lalàna ilay raharaha tamin’ny 22 Janoary 2021.

Nanampy an’i Rasul ho be herim-po ny nianatra avy tamin’ny nataon’ireo rahalahy sy anabavy nenjehina hoatr’azy. Hoy izy: “Tena manampy ahy hiantehitra amin’i Jehovah ny tantaran-dry zareo ... sady mampahery ahy ao anatin’ny fitsapana. Hampifaly an’i Jehovah sy Jesosy aho raha tsy mivadika mihitsy.” Nisedra ny finoan’ny fianakaviany koa ny nanjo azy. Izao no nolazain’ny mamany hoe nanampy azy nandritra an’ireny fotoana ireny: “Hitako avy amin’ny tantara maro ao amin’ny Baiboly sy amin’ireny videontsika ireny fa tsy izaho irery no miatrika olana hoatr’izao. Misy mpiara-manompo miatrika an’izao koa, ary nandresy ry zareo. Manampy ahy hiaritra ny nataon-dry zareo.”

Tena nampahery an’i Rasul ny Salamo 37:23, 24. Matoky isika fa hatanjaka foana ny finoan’ireny rahalahy tanora sy be herim-po ireny, satria ampian’i Jehovah izy ireo. Matoky koa isika fa tsy hivadika mihitsy izy ireo ary ho falifaly foana.