Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Ihlosbek Rozmetov

22 JANOARY 2021
TURKMÉNISTAN

Voaheloka Higadra Fanindroany ny Rahalahy Ihlosbek Rozmetov fa Tsy Nety Nanao Miaramila

Voaheloka Higadra Fanindroany ny Rahalahy Ihlosbek Rozmetov fa Tsy Nety Nanao Miaramila

Didim-pitsarana

Nomelohin’ny fitsarana any Turkménistan ny Rahalahy Ihlosbek Rozmetov, tamin’ny 19 Janoary 2021. Nomelohina higadra roa taona tany amin’ny fonja tena tsara ambina izy satria tsy nety nanao miaramila. Efa fanindroany izao izy no nigadra noho izany antony izany.

Ilay voampanga

Ihlosbek Rozmetov

  • Teraka: 1997 (Andalib)

  • Mombamomba azy: Telo ry zareo no mpiray tam-po. Vao vita ny fianarany tany an-tsekoly dia niasa izy hanampiana ny fianakaviany. Mbola vao folo taona izy tamin’izany. Tia manao spaoro, mamaky boky, ary mihaino mozika izy. Tamin’ny 2010 ny maman-dry zareo no nanomboka nianatra Baiboly, dia izy indray herintaona taorian’izay

Mombamomba an’ilay raharaha

Voaheloka higadra herintaona tany amin’ny toby fiasana an-terivozona any Seydi i Ihlosbek Rozmetov, tamin’ny 11 Jolay 2018, ary 20 taona izy tamin’izany. Nafahana izy rehefa tapitra ny herintaona. Araka ny lalàna any Turkménistan, dia mbola azo melohina fanindroany izy raha mbola tsy manaiky hanao miaramila.

Voantso hanao miaramila indray i Ihlosbek, tamin’ny 25 Novambra 2020. Nanazava tsara tamim-panajana ny zavatra inoany ao amin’ny Baiboly izy, kanefa nomelohin’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava. Voaheloka higadra lava kokoa noho ny teo aloha izy satria mbola tsy nanaiky hanao miaramila ihany.

Nilaza i Ihlosbek fa tena “mafy be mihitsy” ilay nigadra voalohany. Ny andinin-teny novakiny sy hainy tsianjery talohan’ny nankanesany tany am-ponja no tena nanampy azy. Anisan’ny tena tian’i Ihlosbek, ohatra, ny nisaintsaina ny Filipianina 4:6, 7. Ireo andinin-teny ireo no nampahatsiahy azy mba tsy ‘hanahy na amin’inona na amin’inona’, mba hangataka “ny fiadanan’Andriamanitra” amin’ny vavaka, ary mba ho tony na dia ao anatin’ny fotoana mampitebiteby aza. Hoy i Ihlosbek: “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho nandritra an’ireny fitsarana ireny, dia tsapako be mihitsy hoe teo akaikiko foana izy.”

Matoky isika fa mbola hampahery an’i Ihlosbek sy izay manantena azy rehetra foana i Jehovah.​—Isaia 40:29-31.