Hijery ny anatiny

Bahram sy Gulzira vadiny

24 OKTOBRA 2016
TURKMÉNISTAN

Ho Anisan’ireo Hafahana ve i Bahram Hemdemov Amin’ny Famotsoran-keloka Manaraka?

Ho Anisan’ireo Hafahana ve i Bahram Hemdemov Amin’ny Famotsoran-keloka Manaraka?

Nisy famotsoran-keloka tany Turkménistan, tamin’ny Febroary 2016, ka gadra an-jatony no nafahana. Tsy tafiditra tao anatin’izany anefa i Bahram Hemdemov. Nampakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony tao Turkménistan ilay raharaha. Nolavina anefa izany, telo volana latsaka tatỳ aoriana. Nametraka fitoriana tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona àry ny mpisolovavan’Atoa Hemdemov, tamin’ny 15 Aogositra 2016.

Enjehina ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Turkmenabat

Nosamborina Atoa Hemdemov, tamin’ny Martsa 2015. Nanao fotoam-pivavahana niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa tao an-tranony, any Turkmenabat, izy tamin’izay. Nisy polisy tonga tao dia nisava ny tranony, naka ny fananany, ary nampijaly an’izay niara-nivavaka tao. Tsy nisy fahazoan-dalana akory anefa tany amin’ireo polisy, fa tonga izy ireo dia niditra fotsiny.

Hoy ny mpisolovavan’Atoa Hemdemov: “I Bahram Hemdemov no tena nampijalijalin’ny polisy raha oharina tamin’ireo mpiara-mivavaka taminy, amin’izay matahotra daholo ny Vavolombelona rehetra any Turkmenabat.” Tapa-kevitra ny tsy hiala amin’ny zavatra inoany anefa izy, na dia mafy aza ny nahazo azy.

Mety mbola hivoaka ny fonja ihany ve izy?

Manantena ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy ho ela dia havoakan’ny manam-pahefana any Turkménistan Atoa Hemdemov. Tena be famindram-po Atoa Filoha Gurbanguly Berdimuhamedov, raha havoakany amin’ny famotsoran-keloka manaraka Atoa Hemdemov.

Malahelo be an’Atoa Hemdemov i Gulzira vadiny sy ny zanany efatra, ary ny mpiara-mivavaka aminy. Efa tena tsy andrin’izy ireo izay hodiany any an-trano. Miangavy amim-panajana ny manam-pahefana any Turkménistan àry ny Vavolombelon’i Jehovah, mba tsy hanakorontana azy ireo rehefa miara-mivavaka izy ireo.