Hijery ny anatiny

Sary eo ambony (havia miankavanana): Aibek Salayev, Matkarim Aminov, ary Bahram Shamuradov

13 NOVAMBRA 2014
TURKMÉNISTAN

Nafahana Ireo Vavolombelon’i Jehovah Nogadraina Tany Turkménistan

Nafahana Ireo Vavolombelon’i Jehovah Nogadraina Tany Turkménistan

Nanao famotsoran-keloka faobe i Gurbanguly Berdimuhamedov, filoham-pirenena any Turkménistan, tamin’ny 22 Oktobra 2014. Nahagaga fa anisan’ny navoaka ny fonja ireo Vavolombelon’i Jehovah valo, izay nigadra noho ny finoany. Nogadraina ny enina tamin’izy ireo, satria tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Ny roa kosa voaendrikendrika noho izy ireo nanao ny zavatra fanaony ao amin’ny fivavahany.

Merdan Amanov sy Pavel Paymov

Nogadraina tany amin’ny toby fiasana an-terivozona any Seydi, any an-tany efitr’i Turkménistan, ireo tovolahy enina tsy nety nanao miaramila. Teo anelanelan’ny 18 sy 23 taona izy ireo. Nalefa tao amin’ny toerana ho an’ny voafonja tsotra i Merdan Amanov, Pavel Paymov, Suhrab Rahmanberdyyev, ary Amirlan Tolkachev. Nalefa tao amin’ny toerana fanasaziana jiolahy kosa i Matkarim Aminov sy Dovran Matyakubov (tsy eo amin’ny sary) satria voaheloka ho “mpanao heloka bevava raindahiny.” Nampijalijalina ireo tovolahy ireo tany am-ponja ary tena mafy ny fiainany.

Nalefa tao amin’ny toerana ho an’ny voafonja tsotra, tao Seydi, koa ireo Vavolombelona roa voaendrikendrika. Tsy iza izany fa i Aibek Salayev, 35 taona, sy Bahram Shamuradov, 42 taona. Voaheloka higadra efa-taona izy ireo, noho ny fivavahany sy ny zavatra nataony mifandray amin’izany. Efa niaritra ny tsy rariny izy roa lahy, satria zavatra tsy mitombina akory no nampigadra azy. Mbola nampijalijalina koa anefa izy ireo tao am-ponja.

Amirlan Tolkachev sy Suhrab Rahmanberdyyev

I Ruslan Narkuliev sisa no Vavolombelon’i Jehovah migadra, any Turkménistan. Tsy nety nanao miaramila koa izy noho ny feon’ny fieritreretany. Vao herinandro vitsivitsy talohan’ilay famotsoran-keloka izy no voaheloka higadra, ka mety hoe mbola tsy fantatry ny tompon’andraikitra ny anarany. Efa mikarakara ny fomba hanafahana azy izao ireo mpisolovava miaro azy.

Tena mendri-piderana ny fanapahan-kevitra hentitra noraisin’ny Filoha Berdimuhamedov, tamin’izy nanafaka an’ireo Vavolombelona valo ireo. Betsaka no manantena fa hisy amin’izay ny fahalalahana ara-pivavahana any Turkménistan. Ho afaka ny hilamin-tsaina ny Vavolombelon’i Jehovah any, raha mitranga izany, sady tsy hatahotra fanenjehana na fanagadrana intsony.