Hijery ny anatiny

22 SEPTAMBRA 2014
TURKMÉNISTAN

Nafahana Ilay Renim-pianakaviana any Turkménistan

Nafahana Ilay Renim-pianakaviana any Turkménistan

Bibi Rahmanova sy ny fianakaviany

Nivoaka ny fonja i Bibi Rahmanova ny 2 Septambra 2014, tamin’ny valo ora alina, nefa mbola tsy afaka madiodio. Nandinika ny fangatahany hampakatra fitsarana ireo mpitsara tao amin’ny Fitsaram-paritr’i Dashoguz, tamin’io andro io. Marina fa tsy nofoanan’izy ireo ny fiampangana lainga azy. Novan’izy ireo ho sazy mihantona anefa ilay saziny efa-taona an-tranomaizina, a ary nasainy navoaka ny fonja avy hatrany izy. Voalaza tao amin’ilay didim-pitsarana fa nilefitra ny mpitsara rehefa nandinika ny toe-javatra nisy an’i Bibi. Vehivavy mantsy izy, ary manan-janaka efa-taona sady mbola tsy nisy zavatra nahavoarohirohy azy taloha.

Nampakatra fitsarana i Bibi taorian’ny fitsarana azy tamin’ny 18 Aogositra. Nomelohina mantsy izy tamin’io satria nendrikendrehina hoe “nanohitra polisy” sy “nahery setra” taminy. Nosakanan’ny polisy teny amin’ny garan’ny lamasinina any Dashoguz i Bibi sy Vepa vadiny tamin’ny 5 Jolay. Nandeha naka entana izy ireo tamin’izay, anisan’izany ny boky ara-pivavahana vitsivitsy. Nofoanana ny fiampangana an’i Vepa tatỳ aoriana. I Bibi kosa nogadraina ny 8 Aogositra, ary nijaly be mihitsy izy tany am-ponja.

Miharihary ny tsy rariny any Turkménistan

Nilaza ny mpisolovavan’i Bibi, izay tsy avy any Turkménistan, fa olona maro eran-tany no tsy nankasitraka ny fanagadrana tsy ara-drariny an’i Bibi. Mety ho anisan’ny antony nanafahana azy tampoka izany.

Tsy i Bibi irery no Vavolombelon’i Jehovah iharan’izany any Turkménistan. Efa mahazatra an’ireo Vavolombelona any ny hoe tsy hajaina ny zon’izy ireo. Vavolombelona valo no migadra noho ny finoany: Tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny enina, ary ny roa voaendrikendrika tamin’ny zavatra tsy nataony. Mijaly be izy ireo any am-ponja sady miaritra herisetra isan-karazany.

Mendri-piderana ireo mpitsara ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Dashoguz noho izy ireo nanafaka an’i Bibi. Tsy nahavita nanonitra ny tsy rariny natao taminy anefa izy ireo. Manantena ireo manaja ny zo maha olona fa mba hojeren’ny manam-pahefana any Turkménistan ny tsy rariny hafa mitranga any. Maniry koa izy ireo hoe hampiharina ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona ka havela hanaraka ny fivavahany ny olona.

a Novan’ilay fitsaram-paritra ho sazy mihantona efa-taona ilay saziny higadra efa-taona, ary asaina manara-maso azy mandritra ny telo taona ny polisy. Tokony ho tsara fitondran-tena izy mandritra an’io telo taona io, ary tsy mahazo miala ao amin’ny tanànany raha tsy mahazo alalana avy amin’ny manam-pahefana.