Hijery ny anatiny

16 MEY 2017
TURKMÉNISTAN

Afaka Tany Amin’ny Fonjan’i Turkménistan i Mansur Masharipov

Afaka Tany Amin’ny Fonjan’i Turkménistan i Mansur Masharipov

Nafahan’ny fitondram-panjakana any Turkménistan i Mansur Masharipov, tamin’ny 12 Mey 2017. Faly be izy satria tafaraka amin’ny fianakaviany indray, rehefa avy nigadra herintaona latsaka kely.

Tsy nety nanao miaramila mantsy Atoa Masharipov satria tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany izany. Namoaka didim-pitsarana ny fitsarana tany Dashoguz tamin’ny Mey 2004, ka voaheloka higadra herintaona sy tapany tany amin’ny toby fiasana an-terivozona any Seydi izy. Malaza ratsy io fonja io satria ampijaliana sy tsy omena izay tena ilainy ny gadra ao. Mahatsiravina koa ny areti-mifindra ao. Nisy famotsoran-keloka tamin’ny Mey 2005, ka nafahana izy nefa lasa niharatsy be mihitsy ny fahasalamany. Tonga tany aminy ny polisy tamin’ny Jolay 2014, ka nisava ny tranony sy naka an’izay boky sy gazety ara-baiboly hitan’izy ireo tao. Novonovonoin’ny polisy sy norahonan’izy ireo imbetsaka izy tany am-ponja. Nalefan’izy ireo tany amin’ny toby fanarenana mpidoroka zava-mahadomelina izy avy eo. Tsy hoe notsaboina anefa izy tany fa notsindronina zava-mahadomelina. Vao mainka izy narary, sady lasa nalemy. Natahotra Atoa Masharipov sao ho faty, dia nitsoaka izy sady niafina, nefa tratra tamin’ny 30 Jona 2016.

Faly be daholo ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nafahana Atoa Masharipov. Malahelo anefa izy ireo satria tafahoatra loatra ny ataon’ny fitondram-panjakana any Turkménistan. Ampijalin’izy ireo mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah sady tsy tena avelany hanaraka ny fivavahany. Efa roa taona mahery, ohatra, i Bahram Hemdemov no migadra any Seydi. Tsy hoe nanao ratsy anefa izy fa nitarika fotoam-pivavahana tao an-tranony fotsiny. Mbola miezaka mafy manao izay hanafahana azy ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izao.