Hijery ny anatiny

14 SEPTAMBRA 2016
TURKMÉNISTAN

Nogadraina i Mansur Masharipov Satria Nendrikendrehina

Nogadraina i Mansur Masharipov Satria Nendrikendrehina

Nosamborin’ny manam-pahefana tao Ashgabad, any Turkménistan, i Mansur Masharipov, tamin’ny 30 Jona 2016. Efa hatramin’ny tapatapaky ny taona 2014 ny polisy no nanara-maso azy noho izy Vavolombelon’i Jehovah. Nendrikendrehina ho nikasi-tanana polisy Atoa Masharipov, 32 taona, nefa ny polisy no tena namonomono azy. Efa niharan’ny herisetra sy vono izy talohan’izay, satria hoe manao zavatra mifanaraka amin’izay takin’ny fivavahany. Nohelohin’ny fitsarana iray tao Turkménistan izy, tamin’ny 18 Aogositra 2016, mba higadra herintaona ao amin’ny fonja iray ho an’ny mpanao heloka bevava. Nanao fampakarana fitsarana ambony Atoa Masharipov.