20 MARTSA 2019
TURKMÉNISTAN
Nafahana i Bahram Hemdemov
Nafahana tamin’ny 13 Febroary 2019 i Bahram Hemdemov, 55 taona, rehefa avy nigadra efa-taona tany amin’ny fonjan’i Seydi (LB-E/12), any Turkménistan. Tafaraka amin’i Gulzira vadiny sy ny zanany efatra izy izao. Tamin’ny 14 Martsa 2015 Atoa Hemdemov no nosamborina, satria fotsiny hoe nisy fivoriana ara-pivavahana natao tao an-tranony, any akaikin’i Turkmenabat. Tamin’ny 19 Mey 2015 izy no nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Lebap. Intelo isan-taona teo ho eo ny fanjakana any Turkménistan no nanao famotsoran-keloka, nandritra ny fotoana nigadran’Atoa Hemdemov. Tsy mba anisan’ireo nafahana mihitsy anefa izy na dia nisy mpamono olona aza nahazo fanafahana. Nametraka fitarainana tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR) Atoa Hemdemov, tamin’ny 15 Aogositra 2016, nefa mbola tsy nivaly ilay izy. Vavolombelon’i Jehovah 11 izao no mbola migadra any Turkménistan satria tsy mety manao miaramila. Efa impolo anefa ny CCPR no namoaka fanapahan-kevitra nanameloka an’i Turkménistan. Ampijalina sy gadraina mantsy ny tovolahy Vavolombelon’i Jehovah any satria tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.