Hijery ny anatiny

TURKMÉNISTAN

Topy Maso An’i Turkménistan

Topy Maso An’i Turkménistan

Efa nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Turkménistan taloha kelin’ny 1990. Nahazo fahaleovan-tena tamin’ny Firaisana Sovietika i Turkménistan, tamin’ny Oktobra 1991. Nanomboka naneritery ny olona teo amin’ny resaka fivavahana ny fanjakana, taorian’izay.

Tsy eken’i Turkménistan ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampijalina ny Vavolombelona sasany, tanana am-ponja tsy ara-drariny, atao savahao ny tranony, gadraina, ary ampandoavina lamandy satria manaraka ny fivavahany. Gadraina koa izy ireo noho ny fiampangana namboamboarin’ny polisy. Miakatra fitsarana sy sazina foana koa ny tovolahy Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy misy fanompoana sivily ho an’izay tsy manao miaramila mantsy any Turkménistan. Efa nandefa fitarainana maromaro tany amin’ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona sy any amin’ny fikambanana iraisam-pirenena hafa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nomen’ny Filoham-pirenen’i Turkménistan famotsoran-keloka ny Vavolombelona valo nigadra tsy ara-drariny, tamin’ny Oktobra 2014. Vokatr’izany dia nankasitraka ny fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah. Manantena koa izy ireo fa tsy hijanona hatreo ny ezaka hataon’ny fanjakana mba hiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana.