Hijery ny anatiny

27 AOGOSITRA 2014
TURKMÉNISTAN

Turkménistan: Gadraina Tsy Ara-drariny ny Renin’ilay Zaza Efa-taona

Turkménistan: Gadraina Tsy Ara-drariny ny Renin’ilay Zaza Efa-taona

Notsaraina tao amin’ny trano fitsarana vonjimaika iray tao Dashoguz, any Turkménistan, i Bibi Rahmanova. Vehivavy 33 taona izy ary manan-janaka lahy kely efa-taona. Nanameloka azy tsy ara-drariny ilay mpitsara atao hoe Gagysyz Orazmuradov, ary zavatra noforomporonina no niampangana azy. Nomelohina izy tamin’ny 18 Aogositra satria “nanohitra polisy” sy “nahery setra” taminy, a hono. Nomen’ilay mpitsara sazy henjana izy satria voaheloka higadra efa-taona any amin’ny fonja ho an’ny mpanao heloka bevava.

Voasambotra teny amin’ny gara

Tamin’ny 5 Jolay 2014 no nanomboka ilay olana nahazo an’i Bibi. Nankany amin’ny garan’ny lamasinina iray tao Dashoguz, tamin’izay, izy sy Vepa Tuvakov vadiny ary ny zanak’izy ireo. Naka boky ara-baiboly sy entana hafa nalefan’ny namany avy any Ashgabad izy ireo. Raha vao azon’izy ireo ilay entana, dia nisy polisy enina nanao akanjo tsotra nisambotra azy mivady sy nanery azy ireo hampiseho izay tao anatiny. Rehefa nahita ordinatera iray sy bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah tao ireo polisy, dia nanompa azy mivady sady nandrahona hoe ho kamboty tsy ho ela ny zanak’izy ireo.

Nanomboka nandray feo an’ilay zava-nitranga tamin’ny telefaoniny i Bibi. Nafeniny tao anaty akanjony ilay izy rehefa saika nalain’ireo polisy. Noraisin’ireo polisy tamin’ny volony àry izy, nodakany sy nodarohany, ary notazoniny ny tanany. Tamin’izy mbola tsy afa-nihetsika iny no nisy polisy iray nanainga ny akanjony ambony mba hakana an’ilay telefaonina, sady nikasikasika azy tany amin’ny faritra tsy tokony hokasihina. Niaro tena i Bibi nefa tsy nanohitra na namely an’ireo polisy.

Bibi sy Vepa ary ny zanak’izy ireo

Nentina tany amin’ny paositry ny polisy izy mianakavy avy eo. Nasain’ireo polisy nanao sonia taratasy iray efa nisy soratra i Vepa. Tsy nanaiky izy ka nodarohan’ny polisy imbetsaka. Tao amin’ny efitra hafa i Bibi sy ilay zanak’izy ireo tamin’izay. Mbola tsy nety nanao sonia ihany anefa i Vepa. Tsy nety nanao sonia koa i Bibi ka nodarohana. Notazonin’ny polisy nandritra ny alina i Bibi sy ny zanany ary nalefany ny ampitso. b Nitory tany amin’ny manam-pahefana any Turkménistan i Bibi, ka nafahana i Vepa ny 11 Jolay. Tsy menatra akory avy eo ireo polisy tao Dashoguz nanokatra fanadihadiana momba an’i Bibi sy ny vadiny satria hoe mpanao heloka bevava, hono, izy ireo.

Nosamborina sy notazonina ary notsaraina

Nosamborina i Bibi ny 6 Aogositra, nampidirina am-ponja ny 8 Aogositra, ary notsaraina ny 18 Aogositra. Hita be hoe niangatra Atoa Orazmuradov nandritra an’ilay fitsarana. Notapahiny foana ny tenin’ilay mpisolovavan’i Bibi rehefa niezaka niaro azy izy. Tsy navelany hanontany an’ireo polisy koa ilay mpisolovava rehefa nilaza fiampangana tsy marina izy ireo. Tsy vitan’izany fa tsy navelany hiteny i Vepa rehefa saika hitantara ny nanaovan’ireo polisy an’i Bibi. Tsy nety nihaino an’ilay raki-peo koa izy. Nilaza ilay mpitsara fa meloka i Bibi ary voasazy higadra efa-taona.

Tokony hampakatra fitsarana i Bibi ny 28 Aogositra. Mandra-pahatongan’izay dia nampidirina tao amin’ny fonjan’ny DZD-7 izy. Raha lavina ny fangatahany, dia hafindra any amin’ny fonja any an-tany efitr’i Seydi izy. Tsy vitan’ny hoe tsy hanana fahafahana fotsiny izy fa tsy ho afaka hitaiza ny zanany koa mandritra ny fotoana tena ilany ny reniny.

Marina fa tsy tena voampanga i Vepa, kanefa tena atahorana hitranga izany. Mety hiakatra fitsarana mihitsy azy izy noho ny fanendrikendrehana azy, ary mety ho voaheloka higadra tsy ara-drariny. Raha mitranga izany dia sady tsy hahita ny reniny ilay zaza no tsy hahita ny rainy koa. Tsy misy afaka manala tsiny an’izany tsy rariny izany.

Mangataka ny hampiharana ny rariny

Efa ela i Turkménistan no nampijaly ny Vavolombelon’i Jehovah sy tsy namela azy ireo hanana ny zony. Manao antso avo amin’ny fitondrana any ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany sy ireo olona maro manaja ny zo maha olona sy ny fahalalahana ara-pivavahana mba hanitsiany an’izany tsy rariny izany.

a Mety hampigadra hatramin’ny dimy taona ny herisetra mifandray amin’ny fanoherana mpitandro filaminana.

b Nalefa tany amin’ny havan-dry Bibi ilay zaza ny 6 Jolay maraina. Taratara kely kosa vao nafahana i Bibi.