Hijery ny anatiny

Maty noho ny zera baomba tao amin’ny garan’i Kramatorsk, any amin’ny Faritr’i Donetsk, any Ukraine, ny Rahalahy Mykola Bozhedomov

4 MEY 2022
UKRAINE

Fitiavana no Nanaovany An’ilay Izy!

“Tamin’iny Izy no Tokony Handeha Tany Farany”

Fitiavana no Nanaovany An’ilay Izy!

Nihamafy ny ady tao amin’ny Faritr’i Donetsk, any Ukraine, dia nanampy olona faran’izay betsaka mba hitsoaka ny Rahalahy Mykola Bozhedomov. Nivezivezy nitatitra olona avy tany Kramatorsk izy.

Mykola sy Nina Bozhedomov

Nianjeran’ny baomba anefa ny garan’i Kramatorsk tamin’ny 8 Aprily 2022, dia maty tamin’izay i Mykola.

Nisy 50 mahery no namoy ny ainy tamin’ilay loza. Ankoatra an’i Mykola, izay 58 taona, dia nisy anabavintsika iray koa maty tamin’ilay izy. Nisy 100 mahery no naratra, anisan’izany ny rahalahy iray. Nitantara ny mpiara-manompo tafavoaka velona tamin’ilay loza hoe indroa ry zareo no naheno zavatra nipoaka be, dia avy eo nisy potipotika vy niparitaka tetsy sy teroa.

Hoy i Nina vadin’i Mykola efa hatramin’ny 32 taona: “Izay hahasoa ny hafa foana no noeritreretin’ny vadiko aloha. Tena tiany ny manampy ny mpiara-manompo zokiolona sy marary. Nihanampidi-doza foana anefa ilay nankany Kramatorsk. Tamin’iny izy no tokony handeha tany farany.”

Tamin’ny 1997 izy mivady no natao batisa. Anti-panahy nandritra ny taona maro i Mykola ary tsy nivadika mihitsy. Tena manohana an’i Nina ny rahalahy sy anabavy sady mampiseho fitiavana aminy. Izao no nolazainy: “Manampy be ahy mba hahavita hiatrika an’izao fahoriana mangidy izao ny teny mampahery lazain-dry zareo.”

Nilaza koa i Nina hoe mampahery azy ny Soratra Masina, indrindra fa ny Isaia 40:28-31. Hoy izy: “Ampian’i Jehovah aho dia lasa mahazo hery indray. Tsapako hoe tena tia be ahy izy. Efa novakiko tao amin’ny bokintsika ihany hoe tia antsika i Jehovah, fa izaho mihitsy amin’izao no mahatsapa an’izany.”

Mivavaka ho an’i Nina sy izay rehetra namoy havana sy namana tamin’ny ady isika. Matoky isika fa mbola hanohana an-dry zareo foana i Jehovah.​—Salamo 20:2.