Hijery ny anatiny

23 JONA 2022
UKRAINE

Ilay Dia Nataoko mba ho Voaro

Nitantara i Anastasia Khozyainova hoe Ahoana ny Nandosirany An’i Ukraine

Ilay Dia Nataoko mba ho Voaro

Nahare tabataba aho ny marainan’ny 24 Febroary 2022. Nanaitra ahy tamin’ny torimasoko ilay izy. Noheveriko hoe kotroka aloha ilay izy tamin’ny voalohany satria avy ny orana tamin’izay. Hay kay ilay izy baomba nipoaka!

Tsapako hoe tsy maintsy niala an’ilay trano nipetrahako tany ampovoan-tanànan’i Mariupol aho. Nanana bebe nipetraka tany amin’ny sisin’ny tanànan’i Mariupol aho, dia nankany aminy aho ny ampitson’iny. Iryna no anarany. Ny mamako indray Kateryna no anarany. Nanaraka anay tany koa izy tatỳ aoriana. Efa tany izaho sy Andrii havanay tamin’izay. Voaro ihany aloha izahay tany amin’ny Bebe tamin’ny voalohany, na dia tsy maintsy natory tao amin’ny lakaly aza nandritra ny andro vitsivitsy.

Indray mandeha nisy baomba nianjera teo amin’ny zaridaina fambolenay legioma. Niafina tany amin’ny lakaly izahay tamin’io andro io. Nankarenin-tsofina mihitsy ny fipoahan’ilay baomba. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho tamin’izay. Herinandro taorian’izay dia hitanay hoe tsy nety intsony ny mbola hijanonanay tao an-tranon’i Bebe. Niverina tany ampovoan-tanànan’i Mariupol àry izahay, mba hitady fomba handosirana. Nitalaho tamin’i Jehovah aho mba hiaro sy hanampy anay ho tafavoaka an’ilay tanàna.

Marainan’ny 4 Martsa tamin’izay. Tsy nisy lamasinina niala an’i Mariupol na ny iray aza, satria voahodidina miaramila ilay tanàna. Niafina tao amin’ny teatra àry izahay nandritra ny folo andro, niaraka tamin’olona an-jatony hafa. Feno hipoka ilay toerana dia tsy maintsy natory tamin’ny tany izahay. Voretra be ilay toerana ary sarotra ny nahazo sakafo sy rano mafana. Nilahatra nandritra ny ora maromaro izahay vao nahazo an’izany.

Indray andro, nisy baomba nianjera teo akaikin’ilay teatra. Mafy be ny fipoahan’ilay baomba dia betsaka ny varavarankely vaky ary lasa nangatsiaka be tao amin’ilay trano.

I Anastasia sy Iryna bebeny ary Andrii havany

Inona hozy nareo no nanampy ahy nandritra an’izany fotoan-tsarotra izany? Ny tantaran’i Joba. Rehefa nihorohoro ny olona satria nisy baomba nipoaka, dia namaky ny tantaran’i Joba tao amin’ny Baiboliko aho. Nanampy ahy ho tony izany. Nalaiko sary an-tsaina hoe niaraka tamiko tao amin’ilay teatra i Joba, dia niteny taminy aho hoe azoko amin’izay izao ny tsapany. Narary izy sady namoy fianakaviana sy fananana. Ny ahy anefa fananana ihany no nafoiko. Niaraka tamiko ny fianakaviako, ary velona sy salama tsara izahay. Tonga saina aho tamin’izay hoe tsy dia maninona ny zavatra nahazo ahy raha oharina amin’izay nanjo an’i Joba. Nampitony ahy ny nieritreritra an’izany.

Henonay tamin’ny 14 Martsa hoe nisy olona vitsivitsy nahavita niala an’ilay tanàna. Nanapa-kevitra ny handeha koa àry izahay. Nahita fiara hitondra anay izahay sy ny olon-kafa tao amin’ilay teatra.

Fiara 20 no niara-niala an’ilay tanàna. Kamiaonety no nitondra anay ary 14 ny isan’ny olona nifatratra tao aorianan’ilay izy. Tsy nitsahatra ny daroka baomba rehefa teny an-dalana izahay. Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho. Rehefa tafavoaka soa aman-tsara an’i Mariupol izahay, dia nivoaka ny fiara ilay saofera ary nigogogogo nitomany. Vitany ihany mantsy ny niala an’ireo vanja nilevina eraky ny lalana. Henonay avy eo hoe voadaroka baomba ilay teatra, roa andro taorian’ny nialanay tany, ary 300 fara fahakeliny ny olona maty.

Tonga tany Zaporijjia izahay adiny 13 taorian’ny nialanay an’i Mariupol. Nandray lamasinina ho any Lviv izahay ny ampitson’iny. Nafana be tao anatin’ilay izy satria toerana tokony ho an’olona efatra no nidiran’olona 16. Efa ho nandritra an’ilay dia manontolo aho no nitsangana teo an-dalantsara. Teo ihany mantsy no toerana mba nisy rivodrivotra. Tonga tany Lviv izahay tamin’ny 16 Martsa, ary nandray tsara anay ny mpiara-manompo. Nipetraka tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay nandritra ny efatr’andro. Nikarakara tsara anay ny mpiara manompo, ka latsaka mihitsy ny ranomasoko. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah ry zareo.

Nanapa-kevitra ho any Polonina izahay dia niala an’i Ukraine tamin’ny 19 Martsa. Nisy mpiara-manompo nandray anay koa tany. Nomen-dry zareo an’izay nilainay izahay efa-mianaka, izany hoe izaho, Bebe, Mama, ary i Andrii havanay. Tsapanay hoe tian-dry zareo be izahay.

Vao 19 taona aho. Hitako tamin’ireny zava-tsarotra niainanay ireny anefa hoe tena ilaina ny manatanjaka ny finoana dieny mbola tsisy ny olana. Ny finoana tsinona no hanampy anao ho tafavoaka velona. Raha tsy nazoto nianatra samirery aho talohan’ny nipoahan’ny ady, dia mety ho sarotra kokoa ny niatrika an’ireny.

Tena Ray be fitiavana i Jehovah. Hoatran’ny hoe noraisiny tamin’ny tanako ankavanako foana aho dia notantanany nandritra an’ilay dia manontolo. Tsy hitako izay fomba anehoana ny fankasitrahako an’i Jehovah noho ny zavatra rehetra nataony ho ahy.​—Isaia 41:10.