Hijery ny anatiny

Mpiara-manompo amintsika any Kharkiv, any Ukraine, ao amin’ny toerana iray azo antoka mandritra ny zera baomba

3 MARTSA 2022
UKRAINE

Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Nanafika an’i Ukraine i Rosia tamin’ny 24 Febroary 2022. Misy Vavolombelon’i Jehovah 129 000 mahery mipetraka any Ukraine, miaraka amin’ny zanak’izy ireo. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 ny biraon’ny sampana mba hikarakara an’izay ilain’ny mpiara-manompo amintsika. Manao izay rehetra azony atao koa anefa ny rahalahy sy anabavy mba hanampiana sy hampaherezana ny mpiara-manompo aminy sy ny olon-kafa mandritra an’izao krizy izao. Tena mampiseho fitiavana ry zareo!

Nijanona any Ukraine ny ankamaroan’ny rahalahy sy anabavy any, fa misy kosa nanapa-kevitra ny handositra. Filaharam-be anefa ny teny an-dalana satria be dia be ny olona niala tany. Nahatratra 30 kilaometatra mihitsy ny filaharana sasany. Tsy maintsy niandry nandritra ny telo na efatra andro ireo rahalahy sy anabavy vao afaka teo amin’ny doanina, alohan’ny hivoahana ny sisin-tany. Nitady an-dry zareo teny amin’ireny filaharana ireny ny mpiara-manompo, dia nanome sakafo sy rano ary zavatra hafa nilainy. Rehefa tonga tany amin’ny firenena teo akaiky teo indray ry zareo, dia efa nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsena azy. Nitondra takelaka nisy soratra hoe jw.org ireny rahalahy sy anabavy ireny, ary efa vonona hampahery sy hikarakara an-dry zareo.

Anabavintsika any Polonina (ankavia) sy any Slovakia (ankavanana), miandry ny mpiara-manompo avy any Ukraine ary efa vonona hanampy an-dry zareo

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Maty nandritra ny zera baomba ny rahalahy marenina atao hoe Petro Mozul. Mpikarakara fiangonana tao Kharkiv izy

    Mampalahelo fa maty nandritra ny zera baomba tamin’ny 1 Martsa 2022 ny rahalahy iray marenina any Kharkiv, ary naratra mafy ny vadiny

  • Anabavy 3 hafa no naratra

  • Mpitory 5 000 mahery no nandositra niala ny tranony

  • Trano 2 no rava

  • Trano 3 no simba be

  • Trano 35 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 2 no simba

  • Betsaka ny mpitory sahirana satria tapaka ny jiro sy rano ary tsy mandeha ny telefaonina sy ny fitaovana manome hafanana

Fanampiana tra-boina

  • KVRV 27 no natsangana any Ukraine

  • Mpitory 867 no nampian’ny KVRV mba hahita trano any amin’ny toerana tsy dia mampidi-doza loatra

  • Manao izay hahazoan’ny tra-boina an’izay tena ilainy ny KVRV, ohatra hoe sakafo sy rano

Avy amin’ny tatitra voalohandohany voaray avy any Ukraine ireo tarehimarika ireo.

Azo inoana hoe miady saina sy manahy ny rahalahy sy anabavintsika any Ukraine amin’izao olana mitranga izao. Mivavaka isika mba hanana fahendrena sy hahay hisaina tsara foana ry zareo, ka hahavita hiatrika an’izany sady hampiseho fitiavana foana.​—Ohabolana 9:10; 1 Tesalonianina 4:9.