Hijery ny anatiny

Dobo enina no nampiasaina mba hanaovana batisa an’ireo olona 7 402 tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1993, tany Kiev, any Ukraine hoe “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”

25 OKTOBRA 2023
UKRAINE

Mbola Tsy Hadino Mihitsy Ilay Batisa Tany Ukraine 30 Taona Atỳ Aoriana

Mbola Tsy Hadino Mihitsy Ilay Batisa Tany Ukraine 30 Taona Atỳ Aoriana

Rahalahy sy anabavy 7 402 no natao batisa tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” tamin’ny 7 Aogositra 1993, tany Kiev, any Ukraine. Mbola tsy nisy hoatran’izany mihitsy hatramin’izay ka hatramin’izao. Tamin’io no betsaka indrindra ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah natao batisa. Mbola mahatadidy an’io fotoan-dehibe niavaka io ry zareo hatramin’izao.

Anisan’ny natao batisa tamin’ilay fivoriambe i Volodymyr sy Alla vadiny. Sambany izy roa tamin’izay vao nanatrika fivoriambe. Olona efa ho 65 000 avy any amin’ny tany 16 no tonga nanatrika. Hoy izy mivady momba izany: “Tamin’iny fivoriambe tany Kiev iny no nahitanay maso hoe hay tena manana rahalahy sy anabavy tokoa izahay maneran-tany. Talohan’izay mantsy tany anaty boky sy gazety foana no namakianay an’izany. Tsy tapitra hatreo ny fivoriambe natrehinay fa mbola nisy be dia be tatỳ aoriana, dia vao mainka tafahaona tamin’ny rahalahy sy anabavy be dia be izahay. Nianaranay avy tamin-dry zareo hoe ho sambatra izahay raha ny fanompoana an’i Jehovah no ataonay loha laharana.”

Ankavia: Volodymyr sy Alla vadiny, tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1993. Ankavanana: Volodymyr sy Alla amin’izao

Natao batisa tamin’ilay fivoriambe koa i Oleksandr, avy any Kiev. Dimampolo mahery ny rahalahy sy anabavy tao amin’ny fiangonany natao batisa tamin’io. Izao no notantarainy momba ny zava-nitranga tamin’izay: “Nifankatia sy niray saina daholo ny rehetra, dia latsaka hatramin’ny ranomasoko mihitsy. Resy lahatra aho tamin’izay hoe olona be fitiavana be daholo no miara-mivavaka amiko. Hoatran’ny hoe fianakaviana iray izahay. Mbola izany foana no tsapako hatramin’izao rehefa manatrika fivoriambe aho.”

Ankavia: Oleksandr tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena tany Kiev, any Ukraine, tamin’ny 1993. Ankavanana: Oleksandr sy Larysa vadiny amin’izao

Izao no tenin’ny anabavy iray atao hoe Liudmyla, momba an’iny fotoana nanaovana batisa azy iny sy ilay fivoriambe manontolo: “Nanampy ahy hifantoka tamin’ny tanjoko ara-panahy ilay fivoriambe hoe ‘Fampianarana Araka An’Andriamanitra.’ Lasa nataoko tanjona ny hoe hanompo an’i Jehovah manontolo andro, dia tratrako ilay izy. Efa 28 taona eo ho eo aho izao no manompo manontolo andro. Nanampy ahy foana i Jehovah hatramin’izay ka hatramin’izao.”

Ankavia: Liudmyla tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena hoe “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”, tamin’ny 1993. Ankavanana: Liudmyla amin’izao

Tsy ho hay hadinoina iny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1993 tany Kiev iny. Efa ho avo telo heny ny isan’ny mpitory any Ukraine taorian’izay. Mbola tahin’i Jehovah foana hatramin’izao izay tsy misalasala manapa-kevitra hoe hanompo azy, dia manokan-tena ho azy sy atao batisa.​—Eksodosy 32:26.