Hijery ny anatiny

12 DESAMBRA 2019
UKRAINE

Miaro ny Zo Hampiasa ny Efitrano Fanjakana ny Fitsarana Tampony any Ukraine

Miaro ny Zo Hampiasa ny Efitrano Fanjakana ny Fitsarana Tampony any Ukraine

Navela hampiasa ny Efitrano Fanjakana ihany ny Vavolombelon’i Jehovah any Tetiiv, Ukraine, rehefa niady teny amin’ny fitsarana nandritra ny efa-taona. Efa vita tamin’ny Desambra 2014 ilay Efitrano Fanjakana. Imbetsaka anefa ny Filan-kevitry ny Fanjakana Momba ny Mari-trano sy Fanorenana (SABC) no nanakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hampiasa an’ilay trano. Inenina, ohatra, izy ireo no tsy nanome fahazoan-dalana hampiasa azy, saziny ny fiangonana ka ampandoaviny vola be, ary nofoanany mihitsy aza ny fanomezan-dalana hanorina nefa ilay trano aza efa vita.

Nilaza ny Fitsarana Tampony any Ukraine, tamin’ny 10 Oktobra 2018, hoe nanara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nanorina an’ilay Efitrano Fanjakana. Nohamafisiny koa hoe arovan’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ny zo hanorina trano fivavahana. Namoaka an’ilay fanomezan-dalana hampiasa an’ilay Efitrano Fanjakana ny lehiben’ny SABC vaovao, tamin’ny 28 Martsa 2019. Tamin’ny faramparan’io volana io ny fiangonana no nivory tao voalohany.

Nanasa olona hitsidika an’ilay Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2 Novambra 2019. Namaly ny antso ny manam-pahefana samihafa sy ny mpiray tanàna. Hoy i Anatoliy Fedorovych Zavalniuk, manam-pahefana sady lehiben’ny mpanao mari-trano ao amin’ny faritr’i Tetiiv: “Nankatoavinareo tsara daholo ny lalàna sy fitsipika takin’ny Fanjakana, ary narahinareo tsara ny planina eken’ny Fanjakana. Manome endrika ny tanàna ity fiangonanareo ity. Misaotra betsaka amin’izay nataonareo.”

Miara-paly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tetiiv isika noho iny fandresena teny amin’ny fitsarana iny. Faly isika satria afaka mampiasa ny Efitrano Fanjakana izy ireo izao mba hiderana sy hankalazana an’i Jehovah.—Salamo 69:30.