Hijery ny anatiny

20 NOVAMBRA 2020
UKRAINE

Namoaka Didy Nanome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine ny CEDH

Namoaka Didy Nanome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine ny CEDH

Nomelohin’ny CEDH i Ukraine satria tsy nanasazy ny olona nankahala sy nampijaly ny mpiara-manompo amintsika

Namoaka didy anankitelo nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 12 Novambra 2020. Ireto avy ny raharaha namoahana an’ireo didy ireo: Zagubnya sy Tabachkova miady amin’i Ukraine, Migoryanu sy ny Hafa miady amin’i Ukraine, ary Kornilova miady amin’i Ukraine. Tamin’ny 2014 sy 2015 ireo no nalefa tany amin’ny CEDH. Tsy nosazin’ny manam-pahefana ny olona nahery setra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ireo raharaha ireo. Nilaza ny CEDH fa tsy tena niaro ny zon’ny mpiara-manompo amintsika ny manam-pahefana any Ukraine, ary nasainy nandoa onitra 14 700 euros (17 400 dolara amerikanina) tamin’ireo rahalahy.

Zagubnya sy Tabachkova miady amin’i Ukraine: Nitory isan-trano tany Novi Mlyny ny Ranabavy Zagubnya sy Tabachkova, tamin’ny 20 Aprily 2009. Nifanena tamin’i Mykola Lysenko, pretra ao amin’ny Eglizy Ortodoksa Trinite, ry zareo teny an-dalana. Nokapohin’io pretra io tamin’ny hazo ny lohan-dry zareo sy ny lamosiny. Tsy nosazina mihitsy anefa ilay pretra na dia efa nitsotra aza izy hoe te “hampitahotra” an’ireo anabavintsika ireo, amin’izay ry zareo “tsy hitory intsony.”

Migoryanu sy ny Hafa miady amin’i Ukraine: Tamin’ny 5 Aprily 2012, dia Vavolombelon’i Jehovah 21 niaraka tamin’ny olona maromaro nasain-dry zareo no niara-nivory, mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Tonga nanakorontana an’ilay fivoriana anefa Atoa Greku, pretra ortodoksa, sy ny olona be dia be niaraka taminy. Nitabataba be ireo olona ireo sady nanompa. Norahonan-dry zareo koa ny mpanatrika, anisan’izany ny ankizy sy ny vehivavy be taona.

Tatỳ aoriana, dia mbola nahery setra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah foana io pretra io sy ireo mpiray tsikombakomba taminy. Nisy mpiara-manompo, ohatra, nodarohan-dry zareo, dia ny fiaran’ny rahalahy iray nodorany. Nanipazan-dry zareo baomba namboariny koa ny trano iray nisy Vavolombelon’i Jehovah natory. Taorian’ireny herisetra ireny, dia nitory tany amin’ny polisy ny rahalahintsika sady nitondra porofo. Tratra tamin’ny video mihitsy ny sasany tamin’ireo olona nanao ratsy ireo. Tsy neken’ny polisy anefa hoe noho ireo olona ireo tsy tia Vavolombelon’i Jehovah no antony anaovany an’izany, sady tsy tena hita tsara tamin’ny video koa, hono, ny tarehiny. Tsy nisy nosazina mihitsy na ilay pretra na ireo mpiray tsikombakomba taminy.

Kornilova miady amin’i Ukraine: Mipetraka any Nosivka ny Ranabavy Kornilova sy Serdiuk. Nanasa ny mpiray tanàna taminy mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ry zareo tamin’ny 7 Martsa 2013. Tamin’izay indrindra no nisy lehilahy iray nivazavaza sy nanompa ary nanambany ny fivavahan’izy ireo. Nasiany ny totohondry mafy be avy eo ny tarehin’ny Ranabavy Kornilova. Naratra mafy izy ka niditra hopitaly 11 andro. Tsy neken’ny polisy hoe tsy fitiavana Vavolombelon’i Jehovah no antony namelezan’io lehilahy io an’ilay anabavintsika fa nolazainy fa “fankahalana azy fotsiny.” Nampandoavin’ny fitsarana lamandy kely fotsiny ilay lehilahy.

Avy eo ankavia miankavanana: Ranabavy Tetyana Kornilova, Ranabavy Tetiana Zagubnya, Ranabavy Maria Tabachkova, ary Rahalahy Vasyl Migoryanu. Efatra amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah be dia be niharan’ny herisetra tany Ukraine, tamin’ny 2009 ka hatramin’ny 2013

Imbetsaka ny solontenan’ny sampan’i Ukraine no nihaona tamin’ny manam-pahefana tany amin’ny tanàna samihafa, sy olona ambony eo amin’ny firenena, ary manam-pahefana iraisam-pirenena mba hiresaka momba an’ilay fanenjehana. Tsy nisy vokany anefa izany, ka nametraka fitarainana tany amin’ny CEDH izy ireo tamin’ny 2014. Mahaliana hoe herintaona talohan’izay, dia nanomboka nanao tatitra momba ny fanavakavahana fivavahana ao Ukraine ny manam-pahefana. Izao, ohatra, no voalaza tao amin’ny tatitra nataon’ny Ombudsman any Ukraine, tamin’ny 2013: “Tsy manadihady tsara ny polisy hoe sao dia fanavakavahana fivavahana no antony hanaovan’ny olona sasany heloka bevava, dia vao mainka ilay olona mahazo vahana.” Nilaza koa ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona tao amin’ny tatitra fanaon’izy ireo momba an’i Ukraine, tamin’ny 2013, hoe manahy izy ireo satria ampitovin’i Ukraine amin’ny heloka tsotra sasany ihany ny heloka bevava ataon’ny olona amin’izay fivavahana tsy tiany, anisan’izany ny ataon’ny olona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy omena sazy henjana ilay olona. Nilaza io Komity io hoe “tokony hiezaka mafy kokoa” ny fitondrana any Ukraine “mba hanadihady tsara ny heloka bevava atao amin’olona ankahalaina, mba hiampanga an’izay olona tratra … ka rehefa hita fa meloka izy, dia tokony homena ny sazy sahaza azy, sady handoa onitra ampy tsara amin’ilay olona nanaovany herisetra.”

Efa nanomboka nanao zavatra ny fitondrana any Ukraine, tato ho ato, mba hanatsarana ny zava-misy. Na dia tsy voasakantsakana aza ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any, dia manantena isika fa hampirisika ny fanjakana any Ukraine sy any amin’ny firenena hafa hiaro ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah hanana fahalalahana ara-pivavahana foana ireo didy telo navoakan’ny CEDH ireo. Manao ny rariny foana i Jehovah, ary efa kely sisa dia hofoanany ny fanenjehana ny mpanompony. Efa tsy andrintsika izany!​—Deoteronomia 32:4.