Hijery ny anatiny

31 OKTOBRA 2019
UKRAINE

Namoaka Didy ny CEDH hoe Manan-jo Hanorina Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine

Namoaka Didy ny CEDH hoe Manan-jo Hanorina Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine

Namoaka didy nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Kryvyi Rih, any Ukraine, ny Filan-kevitra ao amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 3 Septambra 2019. Nomelohin’ilay Fitsarana ny filan-kevitry ny tanàna ao Kryvyi Rih satria nanao fanahy iniana tsy nanome alalana ny rahalahintsika hanorina Efitrano Fanjakana.

Rahalahy vitsivitsy eo amin’ilay toerana tian’izy ireo hanorenana ny Efitrano Fanjakana any Kryvyi Rih, any Ukraine

Nilaza ilay Filan-kevitra hoe tsy nohajain’ilay filan-kevitry ny tanàna ny Andininy faha-9 (miaro ny zo haneho hevitra sy hanaraka ny feon’ny fieritreretana ary hanana fivavahana) sy ny Andininy voalohany amin’ny Fifanekena No. 1 (miaro ny zon’ny tompon-javatra), ao amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Nilaza koa ilay Fitsarana hoe tsy maintsy mandoa 7000 euros (28600000 ariary eo ho eo) amin’ireo fiangonana roa tompon’ilay toerana ny filan-kevitry ny tanàna, mba hanonerana ny fahavoazana nihatra tamin’izy ireo sy ny vola laniny teny amin’ny fitsarana. Manana telo volana i Ukraine raha te hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny Filan-kevitra Ambony Indrindra ao amin’ny CEDH.

Efa tamin’ny 15 taona lasa ireo fiangonana roa any Kryvyi Rih ireo no nangataka hanorina Efitrano Fanjakana. Tamin’ny 9 Aogositra 2004 izy ireo no nividy trano teo amin’ny tanim-panjakana iray. Nandefa fangatahana hanorina Efitrano Fanjakana teo izy ireo avy eo. Nanome ny fahazoan-dalana voalohany ny filan-kevitry ny tanàna, tamin’ny 28 Septambra 2005, sady nampahatsiahy azy ireo hoe mila jeren’ny fikambanana maromaro ilay tetikasa, alohan’ny hamoahany ny fahazoan-dalana farany.

Rehefa naseho ny manam-pahefana isan-tsokajiny ilay tetikasa dia neken’izy ireo. Nalefa tany amin’ny filan-kevitry ny tanàna àry ny fangatahana fahazoan-dalana farany, tamin’ny 23 Aogositra 2006. Tsy namaly an’ilay fangatahana mihitsy anefa ny filan-kevitry ny tanàna na dia takin’ny lalàna aza ny hanomezany valiny ao anatin’ny iray volana. Na dia nilaza aza ny fitsarana iray hoe nandika lalàna ny filan-kevitry ny tanàna, dia mbola tsy nanome an’ilay fahazoan-dalana farany ihany izy ireo. Nentina tany amin’ny ambaratongam-pitsarana samihafa ilay raharaha nefa tsy nisy vokany, ka nametraka fitarainana tany amin’ny CEDH ny mpiara-manompo amintsika, tamin’ny 13 Aprily 2010.

Faly isika hoe namoaka didy nanome rariny ny mpiara-manompo amintsika any Kryvyi Rih ny CEDH. Mbola tsy malalaka tsara ny asantsika any amin’ny firenena sasany. Mivavaka isika mba ho mora amin’ny mpiara-manompo amintsika any amin’ireny tany ireny ny hanorina trano hivavahana amin’i Jehovah, vokatr’iny didy navoakan’ny CEDH iny.—Salamo 118:5-9.