Hijery ny anatiny

Ny rahalahy Oleksandr Tretiak

28 DESAMBRA 2020
UKRAINE

Nanome Rariny ny Rahalahy Oleksandr Tretiak ny CEDH Rehefa Nampiharana Herisetra Noho ny Fivavahany Izy

Nanome Rariny ny Rahalahy Oleksandr Tretiak ny CEDH Rehefa Nampiharana Herisetra Noho ny Fivavahany Izy

Namoaka didy momba ny raharaha Tretiak Miady Amin’i Ukraine ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny Alakamisy 17 Desambra 2020. Nanome rariny ny rahalahy Oleksandr Tretiak ilay Fitsarana. Nisy olona telo nanafika sy namono ny rahalahy Tretiak tamin’izy hody rehefa avy nanao fanompoana, tamin’ny 26 Novambra 2013. Nilaza ny CEDH fa tsy nanadihady tsara momba an’ilay heloka bevava ny manam-pahefana iokrenianina. Nanapa-kevitra àry ilay Fitsarana fa homena onitra 7 500 euros (33 tapitrisa ariary eo ho eo) ilay rahalahy.

Novonovonoina sy naratra mafy ny rahalahy Tretiak ka tsy maintsy niditra hopitaly efa ho iray volana. Telo volana taorian’ilay fanafihana anefa vao nanomboka nanadihady momba an’ilay heloka bevava ny polisy. Tsy nety nibaboka koa izy ireo hoe fankahalana ny Vavolombelon’i Jehovah no anton’ilay fanafihana, ary tsy nety nilaza izy ireo hoe naratra mafy ny rahalahy Tretiak. Taorian’izay dia nosokajin’izy ireo ho heloka kely ilay fanafihana. Ny iray tamin’ireo olona telo nanafika ihany koa no nampangain’izy ireo, ary efa tafatsoaka ivelan’ilay tany ilay olona vao nampangaina. Nolazain’izy ireo hoe vavolombelona nanatri-maso an’ilay fanafihana fotsiny ireo roa hafa, anisan’izany ny polisy iray. Samy tsy nisy nahazo sazy àry ireo mpanafika ireo. Izany sy ny tsy rariny hafa no nahatonga ny Rahalahy Tretiak hampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny CEDH, tamin’ny 2015.

Rehefa nandray an’ilay fanapahan-kevitra ny CEDH, dia nilaza hoe: “Tsy nanadihady tsara momba an’ilay fanafihana feno herisetra nahazo an’i Tretiak ny manam-pahefana [iokrenianina].” Mifanohitra amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona anefa izany.

Manantena isika fa hanampy ny mpiara-manompo any Ukraine sy any an-tany hafa mba hiaro ny zony hifidy ny fivavahany iny didim-pitsarana iny. I Jehovah koa no tena isaorantsika nanome rariny antsika.​—Fitomaniana 3:59.