Hijery ny anatiny

Liudmyla Mozul sy Kateryna Rozdorska, samy maty nandritra an’ilay ady any Ukraine ny vadin-dry zareo. Mahavita miaritra izy mirahavavy noho ny fanampian’i Jehovah sy ny mpiara-manompo

22 APRILY 2022
UKRAINE

“Tsy hoe Nohazonin’i Jehovah Fotsiny ny Tanako Tamin’iny Alina iny, fa Notrotroiny Mihitsy Aho”

Mampahery ny Anabavy Iokrenianina Roa Maty Vady ny Fampanantenan’i Jehovah

“Tsy hoe Nohazonin’i Jehovah Fotsiny ny Tanako Tamin’iny Alina iny, fa Notrotroiny Mihitsy Aho”

Noho ny fanampian’i Jehovah, dia mahavita miaritra ny fijaliana sy ny alahelo vokatr’ilay ady any Ukraine ny Anabavy Liudmyla Mozul sy Kateryna Rozdorska. Anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany maty nandritra an’ilay ady ny vadin’izy ireo, izany hoe i Petro Mozul sy Dmytro Rozdorskyi. Mampalahelo fa 34 no isan’ny rahalahy sy anabavy maty tamin’ilay ady hatreto.

Petro sy Liudmyla Mozul

Natao batisa tamin’ny 1994 i Petro sy Liudmyla. Efa 43 taona ry zareo no nivady.

Hoy i Liudmyla: “Manao teny mampahery foana ny mpiara-manompo isan’andro. Miantso an’ahy foana ry zareo. Naharay taratasy fampiononana avy amin’ny sampan’i Ukraine koa aho dia nanohina ny foko ilay izy, ka latsaka ny ranomasoko.”

Nanomboka tamin’ny 24 Febroary 2022 ilay ady, ary maty tamin’ny 1 Martsa 2022 i Petro rehefa niezaka nandositra ny zera baomba tao Kharkiv izy sy ny fianakaviany. Mpikarakara fiangonana tao amin’ny fiangonana tenin’ny tanana izy tamin’izay.

Efa andro maromaro no tsy nitsahatra ny zera baomba, fa tamin’io andro io nisidina ambany be ireo fiaramanidina mpiady dia nanomboka nanafika an’ilay tanàna. Izay tena nilaina no nahoron’izy mianakavy tao anatin’ny antsasak’adiny, dia lasa ry zareo. Tsy niray fiara izy efa-mianaka fa i Petro sy Liudmyla tao anaty fiara anankiray, ary i Oleksii zanany lahy sy i Maryna vadiny nitondra fiara iray hafa. Hozy i Liudmyla: “Rehefa nivoaka ny arabe izahay dia nanomboka ny zera baomba. Mafy be ny fipoahan’ilay izy dia nivily lalana ny fiaranay.”

Navilin’i Petro mafy ny fiara nentiny mba tsy handona ny fiara nentin’i Oleksii. Naratra mafy anefa izy vokatr’izany. Nentina tany amin’ny hopitaly izy sy Liudmyla ary maty izy avy eo. Fito amby enimpolo taona izy. I Liudmyla indray naratra teo amin’ny tongony sy ny kibony satria tratran’ny vy naparitaky ny baomba. Oleksii sy Maryna kosa tsy naninona. Nivoaka ny hopitaly i Liudmyla telo andro tatỳ aoriana, ary tamin’izay vao fantany hoe maty i Petro.

Hozy i Liudmyla hoe: “Arakaraka ny ieritreretako momba hatsaram-panahin’i Jehovah sy ny fikasany dia vao mainka tony aho. Resy lahatra tanteraka aho hoe hahita ny vadiko indray rehefa any amin’ny tontolo vaovao. Tsy andriko erỳ izany!”

Kateryna sy Dmytro Rozdorksyi

Efa nivady valo taona i Dmytro sy Kateryna. Tany am-piasana i Dmytro rehefa niresaka farany tamin’i Kateryna. Hozy izy: “Kely sisa aho dia ho tonga.”

Nisy mpiara-miasa tamin’i Dmytro niantso an’i Kateryna ora maro taorian’izay, tamin’ny 8 Martsa 2022. Niteny izy hoe nanitsaka vanja milevina i Dmytro dia nentina tany amin’ny hopitaly. Maty izy adiny dimy taorian’ny nandidiana azy.

Izao no tsapan’i Kateryna rehefa fantany hoe maty ny vadiny: “Tsy hoe nohazonin’i Jehovah fotsiny ny tanako tamin’iny alina iny, fa notrotroiny mihitsy aho. Tsapako tamin’izay hoe tena teo akaikiko teo izy.”

Valo amby roapolo taona i Dmytro ary natao batisa tamin’ny 2006. Anti-panahy tao amin’ny Faritr’i Donetsk any Ukraine izy.

Taorian’ilay lahateny fampaherezana ny fianakavian’i Dmytro, dia nanao dia adiny 12 i Kateryna mba handehanana any amin’ny toerana azo antoka kokoa tany amin’ny faritr’i Ukraine. Hoy izy: “Be dia be ny mpiara-manompo avy eto Ukraine sy avy any an-tany hafa nampahery an’ahy. Nataon’izy ireo tsapako hoe tena tian’izy ireo aho, dia nanamaivana ny fahoriako izany.”

Izao koa no nolazainy: “Mampionona an’ahy koa ny mandray anjara amin’ny fanompoana. ... Rehefa mila tsy ho zakako iny ny alaheloko dia manao tsianjery andinin-teny aho, ohatra hoe ny Filipianina 4:6, 7.”

Matoky isika hoe hanohy hampahery sy hampionona ny rahalahy sy anabavintsika izay namoy havan-tiana mandritra an’ilay ady any Ukraine i Jehovah.​—Salamo 61:1-3.