Hijery ny anatiny

Nomanina mba handraisana mpitsoa-ponenana ny Efitrano Fivoriambe any Tiachiv, Ukraine

8 MARTSA 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #1 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

VAOVAO FARANY #1 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Tena sahirana ireo rahalahy sy anabavintsika any Mariupol, Kharkiv, Hostomel, ary ny tanàna hafa, satria mbola mitohy ny zera baomba any Ukraine. Efa herinandro eo ho eo izao ny sasany amin’izy ireo no tsy afaka miala ao amin’ny lakalin’ny tranony na any amin’ny toerana fialokalofana hafa. Mihakely ny tahirin-tsakafo, sady tapatapaka ny herinaratra sy ny Internet ary ny telefaonina ka sarotra ny fifandraisana.

Mampalahelo fa maty noho ny ratra nahazo azy ny Rahalahy Dmytro Rozdorskyi, anti-panahy iray 28 taona any Myrnohrad. Nanitsaka vanja milevina mantsy izy. Mivavaka ho an’ireo namoy havana na namana isika, ary koa ho an’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ireo faritra voazera baomba.​—2 Tesalonianina 3:1.

Simba be ny Efitrano Fanjakana iray any Ovruch, Ukraine, nandritra ny zera baomba

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 7 Martsa 2022:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 2 no maty

  • Mpitory 8 no naratra

  • Mpitory 20 617 no niala tao an-tranony mba ho any amin’ny faritra azo antoka kokoa

  • Trano 25 no rava

  • Trano 29 no simba be

  • Trano 173 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 5 no simba

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 izao no miasa any Ukraine

  • Mpitory 6 548 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 7 008 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any

  • Efitrano Fivoriambe 1 sy Efitrano Fanjakana 30 eo ho eo, any amin’ny faritra andrefan’i Ukraine, no namboarina mba handraisana mpitsoa-ponenana. Anisan’izany ny any amin’ny faritr’i Chernevtsi, Ivano-Frankivsk, Lviv, ary Transcarpathian