Hijery ny anatiny

Ranabavy Olena eo alohan’ilay tranony simba be vokatry ny zera baomba. Tonga dia nanampy azy ny rahalahy sy anabavy

4 JOLAY 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #10 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Modely Satria “Be Herim-po sy Be Fitiavana ary Azo Itokisana”

VAOVAO FARANY #10 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Tena tia ny mpiray finoana aminy ireo rahalahy sy anabavintsika any Ukraine, ka tsy mitsahatra manampy azy ireo.

Efa 81 taona ny Ranabavy Olena. Nisy baomba nipoaka teo akaiky kelin’ny tranony, tamin’ny 6 Jona. Rava ny tranon’ilay mpiray tanàna aminy, vokatr’izany, ary lasa nisy lavaka be mahatratra fito metatra teo. Simba be koa ny tranon’ny Ranabavy Olena, satria tena mafy ny fianjeran’ilay baomba.

Hoy izy: “Nianjera ilay rindrina teo akaikin’ny lohako, nefa izaho natory. Nisy vovoka mainty be tsy nifankahitana avy eo. Feno vakim-pitaratra sy vato niparitaka tetsy sy teroa. Nisaotra an’i Jehovah aho fa tsy maty fo aman’aina.” Tonga nijery an’i Olena ireo rahalahy sy anabavy, minitra vitsivitsy taorian’ny nipoahan’ilay baomba, anisan’izany ny rahalahy iray na dia simba be koa aza ny tranony. Hoy ihany i Olena: “Ankona tsy nahateny ny mpiara-manompo rehefa tonga. Nampahery be ahy anefa ny nahita an-dry zareo. Faly erỳ aho hoe teo akaikiko teo ry zareo.”

Anti-panahy i Serhii, ary mpitsidika matetika an’i Olena miaraka amin’ny tanora ao amin’ny fiangonan-dry zareo izy. Izao no nolazainy: “Natahotra sy niady saina be aho raha vao naheno hoe nisy baomba nipoaka teo akaikin’ny tranon’ny Ranabavy Olena. Rehefa hitako hoe ratra kely fotsiny no nahazo azy, dia izay aho vao maivamavaina. Mahavariana fa ny boky sy gazety nomena azy andro vitsivitsy talohan’io no zavatra voalohany notadiavin’ny Ranabavy Olena rehefa rava ny tranony.”

Soa ihany fa nahita trano ho an’ny Ranabavy Olena ny havany. Mbola manampy azy foana anefa ny fiangonana, ary miantso azy isan’andro ny anti-panahy. Nomen’ny mpiara-manompo fitaovana manampy azy haheno tsara koa izy, amin’izay afaka mandray soa avy amin’ny fivorian’ny fiangonana. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe tsy manana hery intsony aho indraindray. Mahazo hery indray anefa aho rehefa mivory. Miantso ahy matetika koa ny mpiara-manompo, dia tena faly aho.”

Niafina tao anaty lakalin’ny Efitrano Fanjakana niaraka tamin’ny mpitory 200 ny mpivady iray, ary nitantara ny zavatra niainan-dry zareo tao. Izao no nosoratan’ilay anabavy: “Ny fikarakaran’ireo anti-panahy be fitiavana no tena nampiaiky volana ahy. Nampahatsiaro an’ahy an’i Davida ry zareo. Nanao vivery ny ainy i Davida rehefa niady tamin’ny liona sy orsa mba hiarovana ny ondriny. Tsy maintsy nanao vivery ny ainy koa ny anti-panahy tao amin’ilay lakaly, mba hahazoana sakafo sy rano ary solitany hanaovanay jiro. Afaka nivory sy nanao fivoriana alohan’ny fanompoana izahay, vokatr’izany. Nitsidika foana an’ireo mpiara-manompo nijanona tany an-tranony koa ireo anti-panahy ireo, mba hanatitra sakafo sy rano ary hampahery an-dry zareo. Na dia nisesisesy be aza indraindray ny baomba nipoaka, dia mbola nandeha ihany ry zareo. Tena manaja an’ireo anti-panahy ireo aho. Mpampianatra sy mpitory no nahalalako an-dry zareo hatramin’izay, fa mpiandry azo itokisana kosa no fahitako an-dry zareo izao. Mankasitraka ny modely omeny aho satria be herim-po sy be fitiavana ary azo itokisana ry zareo!”

Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana ny mpitory tao amin’ny fiangonana iray any Ukraine. Hoy izy ireo momba an’ireo rahalahy mikarakara ny fanampiana tra-boina: “Mankasitraka an-dry zareo eram-po eran-tsaina izahay. Mahavariana ny mahita hoe mampiasa ny mpiara-manompo i Jehovah mba hikarakarana anay. Tena niainanay mihitsy ilay tenin’i Jesosy hoe: ‘Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.’”​—Jaona 13:35.

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 21 Jona 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra an’ireo ny tena isa marina:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 42 no maty

  • Mpitory 83 no naratra

  • Mpitory 31 185 no nitsoa-ponenana

  • Trano 495 no rava

  • Trano 557 no simba be

  • Trano 1 429 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 5 no rava

  • Efitrano Fanjakana 8 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 34 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 izao no miasa any Ukraine

  • Mpitory 52 348 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 23 433 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any