Hijery ny anatiny

Mpitory roa manao fampirantiana any Ukraine

18 JOLAY 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #11 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

“Manao ny Tsara” any Amin’ny Tany Rotidrotiky ny Ady

VAOVAO FARANY #11 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Faly erỳ ireo rahalahy sy anabavy any Ukraine fa afaka mitory ampahibemaso indray sady mahita vokatra tsara. Nandefa tatitra ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana hoe be dia be no faly rehefa nahita hoe niverina nanao fampirantiana indray isika. Betsaka koa no niteny hoe nalahelo satria tsy tazatazany teny amin’ny manodidina intsony ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ao amin’ny fiangonana Serhiivka, ao amin’ny Faritr’i Odesa, no misy an’i Tatiana. Tapa-kevitra izy hoe hitsidika an’ireo olona nitoriany talohan’ilay valanaretina. Hoy izy: “Vao nanomboka dia hitako hoe tahin’i Jehovah ilay ezaka ataontsika hoe miverina manompo mivantana.” Nitsidika vehivavy iray izay izy, indray mandeha. Tsy nanaiky hianatra Baiboly izy io talohan’ilay valanaretina. Vonona hiresaka hevitra avy ao amin’ny Baiboly anefa izy tamin’ity indray mitoraka ity, sady tonga dia nanaiky hianatra Baiboly. Hoy i Tatiana: “Mila tsidihiko daholo ireny fiverenana mitsidika nataoko taloha ireny, dia asaiko tsirairay mba hianatra Baiboly!”

Mpitory nitsoa-ponenana avy any Mariupol i Yevheniy sy Lilia. Any amin’ny faritra azo antoka kokoa any Ukraine izao ry zareo no mipetraka, ary samy mazoto mitory tsy tapaka. Nohazavainy hoe rehefa manompo ry zareo dia mba hadinodinony ny olana mahazo azy. Hoy izy ireo: “Fantatray fa tsy hiverina hoatran’ny taloha intsony ny fiainanay. Tena tsy mora ilay manomboka fiainam-baovao, fa tadidinay foana anefa hoe tsy fohy mihitsy ny tanan’i Jehovah. Omeny anay ny fanahiny, dia eo koa ireo rahalahy sy anabavy izay vonona hanampy anay hanomboka fiainam-baovao any amin’ny toerana vaovao.”

Fitoriana vita ho azy koa ny asa tsara ataon’ireo rahalahintsika. Izany no mitranga any amin’ny faritra sasany ao amin’ilay tany. Nanamboatra sy nandamina trano iray fanatobiana entana, ohatra, ny fikambanana iray mpanao asa soa mba hasiana fanampiana vonjy rano vaky. Nisy rahalahy vitsivitsy tao amin’ny tanànan’i Mykolaiv nanampy an-dry zareo, dia nanamboatra ny fantson-drano, nanangana talantalana, ary nitsinjara an’ireo entana milanja aman-taoniny. Rehefa tonga mba hanamarina ny asa vita ny solontenan’ilay fikambanana, dia latsaka ny ranomasony. Hoy izy: “Tsy nampoiziko hoe zavatra tsara be hoatr’izao no ho hitako.”

Faly ireo mpiray finoana amintsika any Ukraine na dia ao anatin’ny mafy aza, satria be atao foana amin’ny fanompoana izy ireo sady “manao ny tsara.”​—Galatianina 6:9.

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 13 Jolay 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra an’ireo ny tena isa marina:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 42 no maty

  • Mpitory 97 no naratra

  • Mpitory 28 683 no nitsoa-ponenana

  • Trano 524 no rava

  • Trano 588 no simba be

  • Trano 1 554 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 5 no rava

  • Efitrano Fanjakana 10 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 36 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 izao no miasa any Ukraine

  • Mpitory 52 947 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 23 863 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any