Hijery ny anatiny

Olona roa natao batisa tany Ukraine, tamin’ny 23 Jolay 2022

12 AOGOSITRA 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #12 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

“Na ny Ady aza Tsy Mahasakana ny Olona Tsy ho Lasa Mpanara-dia An’i Jesosy”

VAOVAO FARANY #12 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Betsaka ny mpitory natao batisa tany Ukraine sy tany amin’ny firenena hafa nandosiran’izy ireo, tamin’ny 23 ka hatramin’ny 31 Jolay, nandritra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2022 hoe “Katsaho ny Fiadanana!” Olona 1 113 avy any Ukraine no natao batisa, raha ny tatitra tamin’ny 2 Aogositra. Izao no tenin’ny rahalahy iray any Ukraine: “Na ny ady aza tsy mahasakana ny olona tsy ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy, satria efa nampanantena izy hoe: ‘Hiaraka aminareo foana aho isan’andro.’ ”​—Matio 28:20.

Ireto misy fitantarana tianay hozaraina aminareo:

Nipetraka tany Kreminna any amin’ny Faritr’i Luhansk i Natalia, 63 taona. Samy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny zanany vavy roa, 30 taona lasa teo ho eo izay. Nandroso tsara izy roa vavy dia natao batisa. I Natalia kosa tsy nandroso. Rehefa nanomboka ilay ady, dia nentin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah niaraka taminy i Natalia rehefa nandositra ry zareo. Nasaina nialokaloka tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao Ivano-Frankivsk izy.

Hoy i Natalia: “Hoatran’ny hoe tsy nahay nitsiky intsony aho taorian’ireny zera baomba nahatsiravina ireny. Nasehon’ny ranadahy sy rahavavy anefa hoe tena tia ahy ry zareo. Tsy nampoiziko hoe hikarakara be ahy hoatr’ireny ry zareo. Tao anatin’ireny fotoana ireny aho no lasa tia an’i Jehovah. Namaky Baiboly matetika aho, dia nisy rahavavy nanasa ahy hianatra Baiboly amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Tena nampiasain’i Jehovah hanampy ahy izy.” Hoy ihany i Natalia: “Faly be aho hoe vita batisa dia lasa Vavolombelon’i Jehovah. Tiako harahina ilay didy lehibe indrindra hoe ho tia an’i Jehovah Andriamanitro ‘amin’ny foko manontolo sy ny tenako manontolo ary ny saiko manontolo.’ ”​—Matio 22:37.

Olia, any Polonina, mitazona taratasy misy ny foto-kevitry ny fivoriambe hoe: “Katsaho ny Fiadanana!”

Mpitory tsy vita batisa tany Cherkasy i Olia rehefa nanomboka ilay ady. Nandositra nankany Polonina izy sy ny zanany vavy ary ny zafikeliny, tamin’ny 6 Martsa. Hoy izy: “Ny kitaponay ihany no teny aminay raha vao tonga izahay. Nokarakarain’ny anadahiko sy ny rahavaviko ara-panahy anefa izahay telo mianaka kely. Tena resy lahatra aho hoe miray saina ny fandaminan’i Jehovah dia tarihin’ny fanahy masina. Vao mainka aho tapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah rehefa nahita an’ireny rehetra ireny. Nanampy ahy izy tamin’izaho tao anatin’ny sarotra, dia te hanompo azy sy hisaotra azy aho.”

Avy any Donetsk i Yulia, 18 taona. Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviany, efa hatramin’izy mbola kely, fa tsy natao batisa mihitsy izy. Mitantara ny zava-nitranga taoriana kelin’ny nanombohan’ilay ady izy. Hoy izy: “Nitsotra teo amin’ny tany aho dia nieritreritra hoe mety ho faty tampoka. Rava tanteraka ilay tanàna nipetrahanay fa izahay mbola tsy maty. Nivavaka sy nisaintsaina ny toetran’i Jehovah aho dia lasa nahatsapa hoe akaiky azy. Tsy nisalasala intsony aho fa fantatro hoe tokony hanokan-tena ho azy aho. Namaly ny vavaka nataoko i Jehovah dia nasehony ahy hoe eo akaikiko eo izy. Fantapantatro fotsiny izy taloha, fa izao izy lasa tiako.” Natao batisa tamin’ny 23 Jolay i Yulia.

David, 11 taona, talohan’ny nanaovana batisa azy (any Alemaina)

Nandositra tany Alemaina niaraka tamin’ny fianakaviany i David, 11 taona, rehefa nanomboka ilay ady. Efa mpitory tsy vita batisa izy tamin’izy sivy taona. Te hanatratra tanjona amin’ny fanompoany an’i Jehovah izy izao. Hoy izy: “Nanapa-kevitra ny hatao batisa aho satria tiako i Jehovah dia te ho namany aho. Faly be aho tamin’ny batisako dia nilatsaka mihitsy ny ranomasoko satria lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah aho. Tiako ny miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah sy ny fikasany ho antsika olombelona. Ny hanao mpisava lalana izao no tanjoko manaraka. Te ho lasa mpikarakara fiangonana koa aho, amin’izay mba manompo ny rahalahy sy anabavy any am-pivoriana. Fa ny hanompo any amin’ny Betela no tena tiako hatao. Efa hatramin’ny 2018 aho no nanonofy an’izany, tamin’izaho nitsidika ny biraon’ny sampana tany Lviv.”

Lasa mpitory tsy vita batisa i Olena, tamin’ny 2011, tamin’izy nipetraka tany Kiev. Tsy nitory intsony anefa izy, nandritra ny folo taona. Niresaka taminy ny anti-panahy, tamin’ny 2020, dia nanome azy an’ilay bokikely hoe Miverena Amin’i Jehovah. Izao no notantarain’i Olena: “Niverina nianatra Baiboly sy nivory aho. Nijanona indray anefa aho rehefa afaka kelikely. Nandritra an’ilay ady anefa, dia novalian’i Jehovah ny vavaka nataoko. Hitako hoe narovany aho, dia nasehony tamiko hoe tia ahy izy, sady nampiany ho tony sy hilamin-tsaina aho. Nandositra tatỳ Romania aho dia nahita Vavolombelon’i Jehovah. Tena tia sy nikarakara ahy ry zareo. Hoatran’ny hoe norakofan’i Jehovah bodofotsy mafana aho satria tena voakarakara tsara.” Natao batisa tamin’ny 24 Jolay i Olena. Hoy izy: “Misaotra an’i Jehovah aho satria nanam-paharetana be tamiko izy. Fantatro izao hoe ‘manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.’ ”​—Filipianina 4:13.

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 2 Aogositra 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra an’ireo ny tena isa marina:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 43 no maty

  • Mpitory 97 no naratra

  • Mpitory 22 568 no nafindra toerana

  • Trano 586 no rava

  • Trano 613 no simba be

  • Trano 1 632 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 5 no rava

  • Efitrano Fanjakana 10 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 37 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 izao no miasa any Ukraine

  • Olona 53 836 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 24 867 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any