Hijery ny anatiny

16 NOVAMBRA 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #13 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Niverina nitory isan-trano indray

VAOVAO FARANY #13 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Nampandrenesina tamin’ny Aogositra 2022 fa azo atao indray ny mitory isan-trano any amin’izay faritra tsy mampidi-doza any Ukraine. Tsy andrin’ireo rahalahy sy ny anabavy erỳ ilay izy. Hitan-dry zareo hoe be dia be mihitsy no liana tamin’ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly. Izao, ohatra, no nolazain’ny olona iray nanaiky hianatra Baiboly: “Nahatsiravina be mihitsy ny zavatra hitako nandritra an’ilay ady nitohy ela be, sady nijaly be ny olona. Mazava amin’ireny hoe Andriamanitra ihany no afaka mandamina ny olana mahazo ny olombelona.” Ireto misy tantara nahafinaritra teny amin’ny fanompoana:

Natahotra kely i Ruslan avy any amin’ny Fiangonana Lanivtsi rehefa hoe hiverina hitory isan-trano. Nivavaka tamin’i Jehovah izy mivady mba ho sahy, dia mba hotarihiny any amin’izay olona liana sy manantena hoavy tsara kokoa. Gaga izy mivady fa vao nitory adiny roa fotsiny ry zareo, dia efa olona valo no nihaino sy nanaiky hianatra Baiboly.

Teny am-pitoriana i Olha, avy any amin’ny Fiangonana Kremenets, indray mandeha, dia nisy rangahy nihazakazaka nanatona azy sy ilay namany. Nanontanian’ilay rangahy ry zareo hoe: ‘Miresaka amin’ny olona momba ny Tenin’Andriamanitra angaha ianareo?’ Dia hozy koa izy: “Mpifoka sigara sy mamo lava aho. Fantatro hoe efa kely sisa aho dia hotsarain’Andriamanitra eo anatrehany. Mba tiako anefa aho raha mba efa tsy hoatr’izao intsony amin’izany.” Nisy mpiara-manompo mipetraka eo amin’ilay faritra àry nasaina nampianatra Baiboly an’ilay rangahy.

Nitory niaraka tamin’ny andia-mpitoriny i Vasyl, indray mandeha. Avy any amin’ny Fiangonana Lviv-Riasne-Skhidnyi izy. Nisy trano iray izay tadidin’i Vasyl, hoe ramatoa nitoriany efa taona maromaro lasa no mipetraka ao. Tsaroany hoe tezitra be ilay ramatoa tamin’izay, sady tsy nety niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandondòna tao amin’ilay trano ihany anefa izy, fa te hanasa an’izay olona ao hianatra Baiboly. Taitra be izy fa mbola ilay ramatoa ihany no nivoaka, sady hozy ilay ramatoa hoe te hahazo an’izay lazain’ny Soratra Masina, hono, izy. Nanaiky hianatra Baiboly àry izy, dia nifanao fotoana ry zareo mba hitsidihana azy.

Fiangonana Illintsi i Serhii, ary mbola tsy nitory isan-trano mihitsy satria tamin’ny 2021 izy no vita batisa. Nitaintaina be àry izy dia nanomana tsara. Hoy i Serhii: “Naverimberiko nojerena ny video misy fomba fitory modely, dia herim-po fotsiny sisa no nilaiko.” Nahafinaritra erỳ fa lasa faly be indray, hono, izy fa tsy nitaintaina intsony. Afaka niresaka ny vaovao tsara tamin’olona mantsy izy.

Hoatr’izany koa i Nikol, avy any amin’ny Fiangonana Rozdil. Tamin’ny Aogositra 2022 izy no lasa mpitory tsy vita batisa. Hoy izy: “Nitaintaina be mihitsy aho sady natahotra amin’ilay hoe hitory mivantana amin’olona. Rehefa nanao an’ilay izy anefa aho, dia hay mahafinaritra be ilay miresaka momba an’i Jehovah mivantana!”

Anabavy roa mitory isan-trano

Ireto no tatitra avy any Ukraine, hatramin’ny 11 Novambra 2022. Tatitra marina nalefan’ny rahalahy tany an-toerana izy ireto. Mety hoe mbola mihoatra an’ireo anefa ny tena izy, satria sarotra be ny nifandray tamin’ny rahalahy tany amin’ny faritra rehetra eran’ilay tany.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • 46 ny mpitory maty

  • 97 ny mpitory naratra

  • 12 569 ny mpitory tsy maintsy nifindra

  • 590 ny trano rava

  • 645 ny trano simba be

  • 1 722 ny trano nisy simba kely

  • 6 ny Efitrano Fanjakana rava

  • 19 ny Efitrano Fanjakana simba be

  • 63 ny Efitrano Fanjakana nisy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • 27 ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) niasa tany Ukraine

  • 53 948 ny olona nampian’ny KVRV mivantana mba hahita trano voaro kokoa

  • 25 983 ny mpitory nitsoaka tany amin’ny tany hafa, dia nampian’ny mpiara-manompo tany