20 DESAMBRA 2022
UKRAINE
VAOVAO FARANY #14 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine
Betsaka ny zavatra rava na simba be any amin’ny faritra sasany any Ukraine noho ny fipoahan’ny baomba, anisan’izany, ohatra, ny lalana, ny tetezana, ary ny toby mpamokatra herinaratra. Na eo aza izany dia mbola manatrika fivoriana foana ny mpiara-manompo amintsika. Mbola manompo foana koa ry zareo na dia tapaka matetika aza ny jiro.
Mpisava lalana any Kiev i Anastasia sy Debora. Nilaza ry zareo hoe tapaka mandritra ny adiny 12, fara fahakeliny, ny jiro isan’andro. Fenoin-dry zareo ny baterian’ny fitaovany elektronika rehefa afaka manao an’izany izy ireo, ary amin’ireny izy ireo no manatrika fivoriana. Matetika rehefa tapitra mihitsy ny fivoriana vao tapaka ny Internet.
Misy olana hafa koa anefa rehefa tapaka ny jiro. Lasa mangatsiaka ao an-trano satria tsy mandeha ny fitaovana fanafanana ny ao an-trano. Misy rahalahy mampiasa gropy, amin’izay mahazo herinaratra sady afaka manafana ny ao an-trano. Ny sasany kosa mifindra any amin’ny fianakaviana manana fitaovana fanafanana ny ao an-trano. Ny hafa indray miaritra ny hatsiaka amin’izao fotsiny. Soa ihany fa betsaka ny rahalahy manana trano misy fitaovana fanafanana trano amin’ny alalan’ny gazy, dia afaka mahazo hafanana ny ao an-tranon’izy ireo na dia tapaka aza ny jiro.
Mifidy ny hijery lafy tsaran-javatra i Iryna, mpisava lalana avy any Ivano-Frankivsk. Niteny izy hoe: “Nanapa-kevitra aho hoe tsy hifantoka amin’izay zavatra tsy azoko hovana. Izay mitranga isan’ora no atrehiko. Eritreretiko hoe inona no azoko atao rehefa tapaka ny jiro, ary maka boky sy gazety mialoha amin’ny fitaovana elektronika aho.”
Na miatrika olana be dia be aza ny mpiara-manompo any Ukraine dia mbola be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah foana izy ireo. Matoky isika fa mbola hitahy ny ezaka ataon’izy ireo mba ‘hanaovana ny tsara’ foana i Jehovah.—Galatianina 6:9.
Ireto no tatitra avy any Ukraine, hatramin’ny 6 Desambra 2022. Tatitra marina nalefan’ny rahalahy tany an-toerana izy ireto. Mety hoe mbola mihoatra an’ireo anefa ny tena izy, satria sarotra be ny nifandray tamin’ny rahalahy tany amin’ny faritra rehetra eran’ilay tany.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 47 no maty
Mpitory 97 no naratra
Mpitory 11 537 no nafindra toerana
Trano 590 no rava
Trano 645 no simba be
Trano 1 722 no simba kely
Efitrano Fanjakana 7 no rava
Efitrano Fanjakana 19 no simba be
Efitrano Fanjakana 68 no simba kely
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 27 no miasa any Ukraine
Mpitory 54 212 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa
Mpitory 26 811 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any