29 DESAMBRA 2022
UKRAINE
VAOVAO FARANY #15 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine
Tranona Vavolombelon’i Jehovah 3 000 no simba sy ravan’ilay ady any Ukraine nanomboka tamin’ny Febroary 2022. Nanomboka nanamboatra ny trano simba ny rahalahy any Ukraine tamin’ny Aogositra, any amin’ny faritra tsy mampidi-doza. Ny Sampan-draharahan’ny Vonjy Rano Vaky sy ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana no miandraikitra ny asan’izy ireo. Anisan’ny asa atao ny manolo ny tafo simba sy varavarankely ary ny zavatra madinidinika hafa. Indraindray rehefa rava ny trano dia ny garazy na ny trano fitehirizan’entana indray no ipetrahana. Tetikasa 37, hatreto, no efa vita ary 48 no mbola atao.
Sarotra ny manamboatra an’ireo trano simba rehefa ao anatin’ny toe-javatra misafotofoto hoatr’izao. Mbola manampy an’ireo tra-boina foana ny rahalahy na izany aza. Hoy i Svitlana, anabavy 70 taona avy any Velyka Dymerka, any amin’ny faritanin’i Kiev: “Tsy nanam-bola hanamboarana ny tafo sy ny andrin’ny tranoko aho. Tsy nampoiziko mihitsy ny zavatra nataon’i Jehovah ho ahy. Tonga nanamboatra ny tranoko ny mpiara-manompo, dia telo andro fotsiny ilay izy dia vitan-dry zareo.”
Nanazava ny Ranabavy Nadiia avy any Horenka, any amin’ny faritanin’i Kiev, hoe nanampy be azy ireo teo amin’ny fanompoana ilay fanampiana ny tra-boina. Nilaza izy hoe: “Tena fitoriana vita ho azy tamin’ny olon-drehetra ny fanamboarana ny tranon’ny mpiara-manompo. Na ny olona tsy fantatro aza miaiky hoe tena mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahagaga be an-dry zareo hoe tonga nanampy ahy ny mpiara-manompo.”
Na ny mpiara-manompo tsy nanan-kialofana aza mba nanampy koa, anisan’izany i Yevhen sy Tetiana. Nipoahan’ny baomba ny tranon’izy mivady dia rava. Tsy mifantoka amin’ny zavatra nafoiny anefa izy ireo fa miasa mafy kosa mba hanampiana ny mpiara-manompo. Hozy i Yevhen: “Ny hanampy ny hafa foana no tena tanjonay, dia izany no manampy anay hiatrika ny olana mahazo anay.”
Namboarin’ny mpiara-manompo koa ny tranon’ny Ranabavy Lidiia any Hostomel, any amin’ny faritanin’i Kiev. Rehefa vita ny tranony dia lasa nandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina koa izy. Nilaza izy hoe: “Mpiara-manompo 16 no nanamboatra ny tranoko nandritra ny tapa-bolana. Hoatran’ireny hoe efa any amin’ny tontolo vaovao ireny sahady aho. Lasa te hanampy ny hafa koa aho izao.”
Vao haingana no nitsidika an’ireo faritra mbola anampiana tra-boina ny iray amin’ny Komitin’ny Sampan’i Ukraine mba hampahery an’ireo namoy ny tranony. Niteny izy hoe: “Tena mahay mifaneho fitiavana foana ny mpiara-manompo eto Ukraine. Vao maika aza nahatonga antsika hifandray akaiky kokoa ity ady ity. Mampahery be ny mahita hoe nahatonga ny mpiara-manompo hanompo bebe kokoa ny fanampiana an-dry zareo, ary lasa ‘be dia be ny olona misaotra an’Andriamanitra,’ araka ny 2 Korintianina 9:12.”
Ireto ny tatitra avy any Ukraine, hatramin’ny 20 Desambra 2022. Tatitra marina nalefan’ny rahalahy tany an-toerana izy ireto. Mety hoe mbola mihoatra an’ireo anefa ny tena izy, satria sarotra be ny nifandray tamin’ny rahalahy tany amin’ny faritra rehetra eran’ilay tany.
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 47 no maty
Mpitory 97 no naratra
Mpitory 11 477 no tsy maintsy nafindra
Trano 590 no rava
Trano 645 no simba be
Trano 1 722 no simba kely
Efitrano Fanjakana 7 no rava
Efitrano Fanjakana 19 no simba be
Efitrano Fanjakana 68 no simba kely
Fanampiana tra-boina
Komitin’ny Vonjy Rano Vaky 26 no miasa any Ukraine
Olona 54 212 nampian’ny KVRV mivantana mba hahita trano voaro kokoa
Mpitory 26 892 no nitsoaka tany an-tany hafa, dia nampian’ny mpiara-manompo tany