1 APRILY 2022
UKRAINE
VAOVAO FARANY #5 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine
Mampalahelo fa niampy fito indray ny rahalahy sy anabavintsika maty tany Mariupol, hatramin’ny 29 Martsa 2022. Raha atambatra, dia rahalahy sy anabavy 17 izao no namoy ny ainy any Ukraine.
Miasa mafy ireo rahalahy anisan’ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) any Ukraine mba hanampiana ny mpiara-manompo. Manao vivery ny ainy mihitsy aza izy ireo rehefa mikaroka ny mpiray finoana aminy any amin’ireo faritra rotidrotiky ny ady.
Vitan’ireo rahalahy anisan’ny KVRV, ohatra, ny nizara sakafo sy fanafody ary zavatra ilaina hafa tany amin’ireo faritra tena voa mafy, anisan’izany tany Kharkiv sy Kramatorsk ary Mariupol. Nisy rahalahy iray anisan’ny KVRV nanao dia lavitra 500 kilaometatra mahery sady nandalo barazy be dia be nisy miaramila, mba hanaterana sakafo sy fanafody ho an’ny mpitory 2 700 teo ho eo.
Nandamina fitaterana koa ny KVRV mba hitondrana an’ireo rahalahy sy anabavintsika hiala an’ilay faritra misy ady. Hoy ny rahalahy iray anisan’ny KVRV any Chernihiv: “Hita hoe tena nampidi-doza ny nijanona tao amin’ilay tanàna rehefa nanomboka nanjera baomba tamin’ny trano fonenana ny miaramila. Tapaka ny herinaratra sy ny Internet nandritra ny zera baomba, dia tsy maintsy nihazakazaka nitety an’ilay tanàna ny anti-panahy mba hampandre an’ireo mpitory niafina tany anaty lakaly hoe misy fiara afaka mitondra an-dry zareo miala an’ilay tanàna.”
Nanaiky hampiasa ny kamiaonetiny sy ny fiara fitaterany olona ny lehilahy iray tompona orinasa mpitatitra. Rahalahy sy anabavy 254 no nalainy tany Chernihiv, ary niverina intsivy izy mba hitaterana azy ireo. Nampiasa fitaovana lehibe mihitsy aza izy, indray mandeha, mba hanamboarana lalana satria nihitsoka teo ilay fiara nentiny. Tena nankasitraka ny fanampiany ireo rahalahintsika.
Miara-ory amin’ireo namoy havana na namana tamin’ity ady ity isika. Efa tsy andrintsika ny hahatanterahan’ilay fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra hoe tsy hisy intsony ny fahafatesana sy ny alahelo.—Apokalypsy 21:3, 4.
Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 29 Martsa 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra be an’ireo ny tena isa marina:
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 17 no maty
Mpitory 35 no naratra
Mpitory 36 313 no niala tao an-tranony mba ho any amin’ny faritra azo antoka kokoa
Trano 114 no rava
Trano 144 no simba be
Trano 612 no misy simba kely
Efitrano Fanjakana 1 no rava
Efitrano Fanjakana 7 no simba be
Efitrano Fanjakana 23 no misy simba kely
Fanampiana tra-boina
KVRV 27 izao no miasa any Ukraine
Mpitory 34 739 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa
Mpitory 16 175 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any