Hijery ny anatiny

Ankavia: Rahalahy sy anabavy any Ukraine mampiditra baoritra ao anaty fiara. Fanampiana avy any Polonina no ao anatin’ireo baoritra ireo ary hozaraina amin’ny mpiara-manompo. Ankavanana: Tranon’ny rahalahy iray any Hostomel, rava satria nianjeran’ny baomba

13 APRILY 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #6 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

VAOVAO FARANY #6 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Mampalahelo fa niampy indray ny rahalahy sy anabavintsika namoy ny ainy, vokatry ny ady mbola mitohy any Ukraine. Raha atambatra, dia Vavolombelon’i Jehovah 28 izao no maty.

Noresahina tamin’ny vaovao maneran-tany hoe tany amin’ireo tanàna any akaikin’i Kiev no tena nafotaka ny ady, nandritra an’ireo herinandro voalohandohany nanombohan’ilay izy. Misy mpitory 4 900 eo ho eo any amin’io faritra io, ary 3 500 mahery amin’izy ireo izao no efa tafatsoaka any amin’ny faritra azo antoka kokoa.

Hita avy amin’ireto fitantarana vitsivitsy ireto hoe nanana finoana matanjaka foana ireo rahalahy, na dia mafy be aza ny fitsapana nahazo azy ireo.

Anti-panahy avy ao amin’ny tanànan’i Makariv i Oleksandr, ary nitsoaka nankany amin’ny faritra azo antoka kokoa tany afovoanin’i Ukraine. Nisy mpitory efatra tao amin’ny andia-mpitoriny anefa tsy tratra antso mihitsy, dia niasa saina be momba azy ireo izy. Niverina tany amin’ilay faritra nisy ady indray àry izy mba hitady azy ireo. Hoy izy: “Fantatro hoe sarobidy be amin’i Jehovah ny mpanompony. ... Rehefa tonga teo an-tokotanin’ilay mpitory anankiray aho, dia hitako hoe voazera baomba ny tranony. Nihidy ny varavaran’ny lakaly, ary niantsoantso aho fa tsisy namaly. Tena natahotra aho tamin’izay.” Rehefa novakin’i Oleksandr ny varavaran’ilay lakaly, dia nahita olona maromaro tao izy sady tany aminy daholo ny mason’izy rehetra. Tao daholo ireo mpitory notadiaviny, ary nisy mpiara-monina vitsivitsy tsy Vavolombelona koa niara-niafina tamin-dry zareo tao.

Yaroslav sy ny vadiny (afovoany) miara-misakafo amin’i Oleksandr sy ny vadiny rehefa tonga tany amin’ny faritra azo antoka kokoa

Anisan’ireo mpitory tao amin’ilay lakaly i Yaroslav. Nanazava izy hoe efa valo andro ry zareo no niafina tao. Hoy izy: “Bisikoỳ vitsivitsy sy rano iray vera isan’olona no mba sakafonay isan’andro. Namaky Baiboly sy ny bokintsika anefa izahay, dia nivavaka sy nifampahery koa. Rehefa naheno an’i Oleksandr niantso ny anarako aho, dia nieritreritra aho hoe miaramila tonga haka ahy izany. Hozy aho hoe tena izay aho vao ho faty. ... Nanavotra anay rehetra [anefa] izy. Misaotra an’i Jehovah izahay fa nomeny fianakaviana tena tia anay sy mivavaka ho anay ary manao vivery ny ainy mihitsy mba hanavotana anay.”

Pylyp

Tapa-kevitra i Pylyp sy ny rahalahy iray fa hanatitra sakafo ho an’ireo mpiara-manompo tavela any amin’ny tanànan’i Borodianka. Rehefa teny an-dalana anefa izy ireo tamin’ny 17 Martsa, dia nalain’ny miaramila ny fiaran’i Pylyp sy ny sakafo nentin-dry zareo. Nosamborin’ny miaramila koa ry zareo, nofatorany rojo vy ny tanany, ary notampenany ny masony. Nentina tao amin’ny efitra kely iray tao anaty lakaly izy ireo avy eo, niaraka tamin’ny lehilahy fito hafa. Nafindra tao amin’ny efitra figadrana iray izy ireo, roa andro tatỳ aoriana, ary nodarohan’ny mpiambina tao nandritra ny alina. Hoy i Pylyp: “Tsy nanantena ny ho velona intsony aho. Nivavaka aho mba tsy hivadika mihitsy.”

Nanomboka nivavaka tamin’ny feo avo ho an’ireo anabavy be taona tsy manana sakafo i Pylyp indray mandeha, tamin’izy nodarohana. Nivavaka koa izy tamin’izay mba tsy haninon-tsy haninona ny fianakaviany, ary nisaotra an’i Jehovah izy noho ireo taona maro nahafinaritra nanompoany azy. Naverin’ilay mpiambina tao amin’ilay efitra figadrana izy avy eo. Mbola nivavaka ho an’ireo miaramila indray izy rehefa tao mba ho azon’izy ireo hoe tsy olon-dratsy ireo rahalahy. Nanomboka nitory tamin’ny mpiambina izy roa lahy taorian’izay. Nitorian’izy ireo daholo izay mpiambina nifandimby tao, nandritra ny roa andro. Tsy vitan’izay fa nisy lehilahy iray niara-nigadra tamin’izy ireo koa lasa liana tamin’ny Baiboly. Tena nankasitraka an’ireo rahalahy izy. Nafahana io lehilahy io sy ireo rahalahintsika, tamin’ny 27 Martsa.

Anabavy mpitovo avy any Bucha i Svitlana, ary tsy afaka nitsoaka tao amin’ilay faritra nisy ady izy nandritra ny tapa-bolana. Hoy izy: “Tamin’izay vao tena tsapako hoe zava-dehibe ny fiadanana omen’i Jehovah. Tsy voatery hoe hahita an’izay tokony hatao foana isika rehefa manana ny fiadanan’Andriamanitra. Izy io kosa no manampy antsika hatoky tanteraka an’i Jehovah rehefa tapi-dalan-kaleha isika.”

Nitory tamin’ny vehivavy iray i Svitlana, tamin’izy handeha ho any amin’ny faritra azo antoka kokoa. Niaraka tamin’ny zanaky ny iray tam-po aminy io vehivavy io tamin’izay. Tonga soa aman-tsara tany amin’ilay faritra azo antoka kokoa izy ireo avy eo, ary nisy fianakaviana Vavolombelona nandray tsara azy ireo tany. Tao amin’io fianakaviana io i Svitlana sy izy mianaka no natory, ny alin’iny. Nilaza ilay vehivavy, ny ampitso, hoe te hanatrika ny fivorian’ny fiangonana izy. Nangataka Baiboly sy boky koa izy. Mbola mifandray aminy i Svitlana hatramin’izao.

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 12 Aprily 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra be an’ireo ny tena isa marina:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 28 no maty

  • Mpitory 48 no naratra

  • Mpitory 40 778 no niala tao an-tranony mba ho any amin’ny faritra azo antoka kokoa

  • Trano 278 no rava

  • Trano 268 no simba be

  • Trano 746 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 1 no rava

  • Efitrano Fanjakana 9 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 26 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 izao no miasa any Ukraine

  • Mpitory 41 974 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 18 097 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any