Hijery ny anatiny

Fahatsiarovana tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Lviv. Misy 60 eo ho eo ny rahalahy sy anabavy nitsoa-ponenana milasy ao

29 APRILY 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #7 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Nisy 210 000 Mahery no Nanatrika ny Fahatsiarovana

VAOVAO FARANY #7 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Faly izahay milaza aminareo fa notahin’i Jehovah ny vahoakany any Ukraine, ka afaka nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Tao amin’ireo Efitrano Fanjakana nilasiany ireo rahalahy sy anabavy nitsoa-ponenana no nanao Fahatsiarovana, tany amin’ny faritra andrefan’i Ukraine. Nozarazaraina ho antokon’olona vitsivitsy ny mpanatrika, tamin’ny ankapobeny, ary nanaraka tamin’ny alalan’ny vidéoconférence izay tsy afaka nivoaka ny tranony.

Rahalahy sy anabavy manatrika Fahatsiarovana ao amin’ny lakaly iray any Kharkiv

Naneno nandritra ny tontolo andro ny fanairana momba ny fanafihana ana habakabaka, tamin’ilay andron’ny Fahatsiarovana. Izany no nitranga tany amin’ny faritra maro nanerana an’ilay tany. Rehefa nihalina ny andro, dia nijanona ilay izy. Mipetraka any Druzhkivka, any amin’ny faritr’i Donetsk, i Sherhiy. Izao no nolazainy: “Nivavaka mafy izahay mba tsy ho voasembantsemban’ny zera baomba ny Fahatsiarovana. Taloha kelin’ny hanombohan’ny Fahatsiarovana mihitsy no nijanona ny zera baomba, ary tsy naneno intsony ny fanairana momba ny fanafihana ana habakabaka.”

Misy mpitory vitsivitsy be taona sy kilemaina any Nemishaeve, any akaikin’i Kiev. Nivavaka ry zareo mba ho afaka hanatrika Fahatsiarovana, satria efa iray volana mahery ry zareo no tsy afaka nivory. Nanampy azy ireo hankalaza ny Fahatsiarovana ny anti-panahy iray atao hoe Vitaliy. Hoy izy: “Tapaka ny herinaratra, dia jiro fanao am-paosy no nampiasainay tamin’ny Fahatsiarovana. Tsy nandeha ny fitaovana manafana trano. Tsy nisy mozika koa, dia ny zanako vavy no nitendry lokanga, amin’izay izahay mba afaka nihira.”

Izao indray no notantarain’i Oleksandr, anti-panahy mipetraka any amin’ilay faritra misy ady: “Tsy mba afaka nanoratra taratasy ho an’ny olona tao amin’ny faritanin’ny fiangonanay izahay nandritra an’ilay ezaka manokana hizarana fanasana Fahatsiarovana. Voazera baomba mantsy ny tranon’ny olona sady tsisy mipetraka intsony. Izay olom-pantatray àry no nasainay, dia izay niara-niafina taminay tany anaty lakaly sy izay niara-nandositra taminay koa. Olona mbola tsy nihaino fitoriana mihitsy ny ankamaroany. Betsaka tamin-dry zareo no nanatrika Fahatsiarovana niaraka taminay.”

Tapaka ny herinaratra, dia labozia no nampiasain’ny mpivady iray any Ukraine nandritra ny Fahatsiarovana. Tany amin’ny tanàna iray tsy lavitra teo ry zareo no namahana ny baterian’ny telefaoniny, satria nisy milina mpamokatra herinaratra tany

Mbola tsy ny fiangonana rehetra eran’i Ukraine no nandefa tatitra hatreto, nefa efa fantatra hoe 210 000 mahery ny isan’ny mpanatrika Fahatsiarovana.

Nilaza ny fihetseham-pony momba ny Fahatsiarovana ny rahalahy iray any Ukraine. Hoy izy: “Rehefa mahatazana jiro ny tantsambo dia mahazo toky hoe efa akaiky ny morontsiraka. Manome toky ahy koa ny Fahatsiarovana hoe efa kely sisa dia ho tonga ny andron’i Jehovah. Vao mainka aho resy lahatra ny amin’izany tamin’ilay Fahatsiarovana tamin’ity taona ity.”

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 21 Aprily 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra be an’ireo ny tena isa marina:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 35 no maty

  • Mpitory 60 no naratra

  • Mpitory 43 792 no niala tao an-tranony mba ho any amin’ny faritra azo antoka kokoa

  • Trano 374 no rava

  • Trano 347 no simba be

  • Trano 874 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 1 no rava

  • Efitrano Fanjakana 10 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 27 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 izao no miasa any Ukraine

  • Mpitory 44 971 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 19 961 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any