10 JONA 2022
UKRAINE
VAOVAO FARANY #9 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine
Mbola manohy mikarakara an’ireo rahalahy sy anabavy nitsoa-ponenana foana hatramin’izao ny sampan’i Ukraine, ary ireo Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) 27 no manampy azy amin’izany. Fanampiana milanja 250 taonina mahery no nohafarana avy any Polonina, ka anisan’izany ny sakafo, akanjo, ary kojakoja fidiovana. Ankoatra izay, dia nandefa sakafo 80 taonina mahery koa ny mpiara-manompo any amin’ireo faritra azo antoka kokoa any Ukraine.
Nahazo fanampiana avy amin’ireo rahalahy miara-miasa amin’ny KVRV ny anabavy iray atao hoe Valentyna, avy any Kiev. Izao no nosoratany: “Lasa nampidi-doza be ny nijanona tao an-tanàna rehefa raikitra ny ady. Nitsoaka tany amin’ny tanàna kely iray any amin’ny faritr’i Cherkasy àry aho. Efa roa volana mahery aho izao no teto. Tena mikarakara ahy ny mpiara-manompo ao amin’ilay fiangonana atỳ. Itondran-dry zareo baoritra be dia be misy sakafo sy kojakoja fidiovana aho. Feno be ny foko mahita an’izany fanampiana rehetra izany. Nisy sary nataon’ny ankizivavikely efa-taona atao hoe Blanca tao amin’ny baoritra anankiray, niaraka tamin’ny karta iray nisy sary vita tamin’ny lokorano ... Hotehiriziko tsara ireny sary ireny mba ho fahatsiarovana. Isaorako eram-po eran-tsaina ny mpiara-manompo amiko rehetra, ary indrindra fa i Jehovah.”
Efa 83 taona ny anabavy iray sady kilemaina. Avy any Sieverodonetsk izy ary Valentyna koa no anarany. Izao no nosoratany: “Nipetra-drery aho tamin’ny vao nanomboka ny ady. Lahitokana mantsy ny zanako, ary efa maty talohan’ny ady izy. Nisy zera baomba foana tao an-tanàna nandritra ny tontolo andro, dia nampahatahotra be ilay izy. Tapaka ny rano sy ny herinaratra ary ny gazy, sady zara raha nandeha ny Internet. Nanao vivery ny ainy ny mpiara-manompo mba hanampiana ahy, dia tena mankasitraka an-dry zareo aho.”
Hoy ihany izy: “Nisy ranadahy nitondra nankany Dnipro izaho sy ny rahavavy roa hafa kilemaina, tatỳ aoriana, satria mba azo antoka kokoa tany. Rehefa tonga tany aho, dia nanampy ahy hahita trano ny mpiara-mpanompo. Miara-mipetraka amin’ny fianakaviana iray Vavolombelona aho izao, sady karakarain-dry zareo tsara. Hoatran’ny fianakaviana iray izahay. Nampian-dry zareo hahazo telefaonina mihitsy aza aho, amin’izay afaka manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’izany. Tsara fanahy be tamiko ny mpiara-mpanompo, ary tsy hohadinoiko mandrakizay izany.”
Faly isika sady misaotra an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, amin’ny fontsika manontolo. Karakarainy foana mantsy ireo rahalahy sy anabavy malalantsika any Ukraine ka ‘tsy mba ory zava-tsoa.’—Salamo 34:10.
Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 7 Jona 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra an’ireo ny tena isa marina:
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 42 no maty
Mpitory 82 no naratra
Mpitory 46 145 no nitsoa-ponenana
Trano 469 no rava
Trano 540 no simba be
Trano 1 405 no misy simba kely
Efitrano Fanjakana 5 no rava
Efitrano Fanjakana 8 no simba be
Efitrano Fanjakana 33 no misy simba kely
Fanampiana tra-boina
KVRV 27 izao no miasa any Ukraine
Mpitory 50 663 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa
Mpitory 22 995 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any