Hijery ny anatiny

Mihamafy ny fanenjehana an’ireo rahalahintsika any amin’ny toerana sasany any Donetsk sy Luhansk, any atsinanan’i Ukraine. Norobaina sy nopotehina ary nodorana ny Efitrano Fanjakana iray any amin’ny faritr’i Luhansk, tamin’ny 30 Mey 2018.

15 OKTOBRA 2018
UKRAINE

Voarara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amin’ny “Repoblika Entim-bahoakan’i Donetsk”

Voarara ny Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amin’ny “Repoblika Entim-bahoakan’i Donetsk”

Nambaran’ny Fitsarana Tampon’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Donetsk, tamin’ny 26 Septambra 2018, fa “mampidi-doza” ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Voarara, noho izany, ny asantsika any amin’io faritra io. Tsy mba nisy Vavolombelon’i Jehovah nanontaniana akory anefa nandritra an’ilay fitsarana. Tsy nanao an’izany na ny mpampanoa lalàna, izay nitory ny fikambanana ara-dalàna ampiasaintsika, na ny mpitsara. Nihamafy ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’io faritra io ka tonga hatramin’izao fandrarana izao.

Nihamafy ny zavatra niainan’ny rahalahintsika tany amin’ny toerana sasany tany Donetsk sy Luhansk, any atsinanan’i Ukraine. Namoaka didy mantsy ny Fitsarana Tampon’i Donetsk, tamin’ny tapatapaky ny 2017, fa “mampidi-doza” ny bokintsika sasany. Nanadihady Vavolombelon’i Jehovah 170 mahery ny polisy nandritra an’io taona io. Nalain’ny manam-pahefana tao amin’ireo faritra ireo tsikelikely koa ny Efitrano Fanjakana, ka nahatratra 16 izany tamin’ny 29 Aogositra 2018.

Mbola miantehitra amin’ilay “Andriamanitra mpamonjy” foana ny rahalahy sy anabavintsika any amin’ireo faritra ireo na dia sakantsakanana tsy hanompo azy aza.—Salamo 18:46.