Hijery ny anatiny

13 FEBROARY 2015
UKRAINE

Misy Mibodo ny Efitrano Fanjakana An’ny Vavolombelon’i Jehovah any Donetsk sy Luhansk, any Ukraine

Misy Mibodo ny Efitrano Fanjakana An’ny Vavolombelon’i Jehovah any Donetsk sy Luhansk, any Ukraine

Faritanin’i Donetsk

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nisy lehilahy maromaro nitam-piadiana namaky ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny faran’ny volana Jona 2014. Nangalariny ny fitaovana elektronika sady nosoloany ny hidim-baravarana. Nataon’izy ireo toby ilay trano.

Horlivka 75 Akademika Koroliova St.

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nobodoin’ny lehilahy maromaro nitam-piadiana ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny 5 Jolay 2014. Nataon’izy ireo toby sy fametrahana bala ilay izy. Niverina nampiasa an’ilay Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa lasa ireo milisy tamin’ny Septambra 2014.

  • Nanapaka ny fandaharam-pivoriana ny lehilahy maromaro nitam-piadiana, tamin’ny 12 Oktobra 2014, sady nandidy an’ireo mpanatrika mba tsy hanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany intsony. Ny Ortodoksa ihany, hoy izy ireo, no fivavahana nahazo alalana eo amin’ilay faritra. Nolazainy fa kely sisa dia “handripaka ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra” izy ireo. Ataon’ireo lehilahy ireo tobiny ilay Efitrano Fanjakana.

Donetsk 10 Karamzina St.

DONETSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy nitam-piadiana maromaro, ny 13 Aogositra 2014, ary nataony tobiny ilay izy.

  • Nangalarin’ireo lehilahy ireo ny fitaovana fanamafisam-peo, tamin’ny 19 Aogositra 2014, ary nilaozany ilay efitrano. Niverina nampiasa an’ilay Efitrano Fanjakana ireo Vavolombelona mba hanaovana ny fotoam-pivavahany.

  • Nankao amin’ny Efitrano Fanjakana ny solontenan’ny Tafika Oplot Fahefatra, taorian’ny fandaharam-pivoriana tamin’ny 18 Oktobra 2014, ary nanambara tamin’ireo Vavolombelona teo hoe alain’izy ireo ilay trano.

  • Nasain’ny lehilahy maromaro nitam-piadiana nanao sonia ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 18 Novambra 2014, mba hanaiky hoe ny Biraon’ny Komandàn’i Petrovskyi sy Kirovskyi no lasa tompon’ilay Efitrano Fanjakana. Ataon’ireo lehilahy ireo tobiny ilay izy.

Horlivka 4 Hertsena St.

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’olona.

  • Nanadinadina ny “tompon-trano vaovao” tao ny tele iray teo an-toerana, tamin’ny 30 Septambra 2014, ary nilaza izy fa nalaina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io Efitrano Fanjakana io mba hatao sekoly fianarana ady totohondry. Imbetsaka io Efitrano io no nisy nanimba sy nandoro, nanomboka tamin’ny 2013. Ny 5 Jona 2014 izy io no saika nisy nandoro farany.

DONETSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro nitam-piadiana, avy ao amin’ny Tafik’i Shakhtar an’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Donetsk (DPR), tamin’ny 26 Oktobra 2014. Ataon’izy ireo toby io Efitrano io izao.

Zhdanivka 14 Komsomolska St.

ZHDANIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nibodo ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro nitam-piadiana tao Horlivka, tamin’ny 27 Oktobra 2014, rehefa nilaza fa nahazo baiko avy tamin’ny komandà iray. Nilaza ilay Komandà Lefitra fa ny Ortodoksa ihany no fivavahana nahazo alalana eo amin’ilay faritra, ary voarara daholo ny ankoatr’izay.

  • Tonga koa ny komandà iray hafa tamin’ny 21 Novambra 2014, ary nilaza tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ny miaramilany indray no hiandraikitra an’ilay Efitrano Fanjakana.

Telmanove 112 Pervomaiska St.

TELMANOVE: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ilay trano ny lehilahy maromaro nitam-piadiana, tamin’ny 4 Novambra 2014, ary nasiany mpiambina nirongo fiadiana teo ivelany.

  • Nitondra bala tao amin’ilay trano ireo lehilahy ireo, tamin’ny 11 Desambra 2014, ary lasa tobin’izy ireo ao izao.

Makiivka 17 Pecherska St.

MAKIIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy fa avy eo nilaozana.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny Tafika Rus, tamin’ny 5 Novambra 2014. Nandidy ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo mba hanome ny lakilen’ilay trano sy tsy hiverina ao intsony. Nesorin’ny solontenan’ny komandà ilay soratra fampahafantarana Efitrano Fanjakana ny ampitson’iny, ka nosoloany ny sainan’ilay tafika.

  • Nilaozan’io tafika io ilay trano, tamin’ny 26 Novambra 2014.

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy fa avy eo nilaozana.

  • Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro nitam-piadiana, tamin’ny 29 Novambra 2014, ary nanambara tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo hoe alain’izy ireo ilay trano. Nilaza ny iray tamin’izy ireo hoe ny Ortodoksa ihany no fivavahana omen’ny DPR alalana eo amin’ilay faritra. Nasian’izy ireo mpiambina mitam-piadiana ilay trano ary noraran’izy ireo tsy hiverina tao ny Vavolombelona. Nilaozan’izy ireo ilay trano ny ampitson’iny.

Zuhres 1 Cherniakhovskoho St.

ZUHRES: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nanambara ny mpiadidy an’ilay tanàna, tamin’ny 20 Desambra 2014, hoe alainy ilay trano. Nodidiany hanome ny lakilen’ilay trano ny Vavolombelon’i Jehovah ary norarany tsy hiverina tao intsony.

DONETSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maro nitam-piadiana, tamin’ny 1 Febroary 2015. Nangatahin’izy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanome ny lakilen’ilay trano, sy hanao sonia taratasy milaza hoe homena ny milisy ilay trano mandritra ny ady.

YENAKIEVE: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nisy lehilahy maromaro nitam-piadiana nangataka ny lakilen’ny Efitrano Fanjakana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny 3 Martsa 2015. Nataon’izy ireo toby ilay trano.

Faritanin’i Luhansk

Antratsyt 4 Komunarska St.

ANTRATSYT: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny sivily.

  • Indroa no nisy olona tsy fantatra niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny Septambra 2014. Nangalatra ny fitaovana elektronika tao izy ireo ary nanisy soratra teo amin’ny rindrina hoe “Cosaque Ortodoksa!”

  • Nilaza ny tele iray teo an-toerana, tamin’ny 25 Septambra 2014, fa nalaina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana mba hanaovana zavatra hafa, ohatra hoe akanin-jaza.

Rovenky 84-A Dzerzhynskoho St.

ROVENKY: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro nitam-piadiana avy amin’ny Tafika Md. George, tamin’ny 23 Septambra 2014, ary nandrara ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hiverina. Ataon’izy ireo tobiny ilay trano.

PEREVALSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny manamboninahitra iray niaraka tamin’ny lehilahy maromaro nitam-piadiana, tamin’ny 5 Novambra 2014. Nanambara tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tao izy ireo hoe haka an’ilay trano ka hanao azy ho efitra fisakafoana. Hoy ilay manamboninahitra: “Vita hatreo ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nilaza tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah izy fa tsy ho afaka hanao zavatra mifandray amin’ny fivavahany intsony izy ireo.

Krasnyi Luch 37 Radianska St.

KRASNYI LUCH: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro nitam-piadiana, tamin’ny 5 Desambra 2014. Nasian’izy ireo mpiambina mitam-piadiana ilay trano, ary nametrahan’izy ireo fiaran’ny miaramila teo an-tokotany.

BRIANKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’io Efitrano Fanjakana io ny lehilahy maromaro nitam-piadiana, tamin’ny 26 Martsa 2015. Nalain’izy ireo daholo ny fitaovana tao, ary nesoriny ny soratra fampahafantarana Efitrano Fanjakana ary nosoloany hoe: “Don Host Mahery Indrindra.”