Hijery ny anatiny

13 DESAMBRA 2016
UKRAINE

Misy Mibodo ny Efitrano Fanjakana An’ny Vavolombelon’i Jehovah any Donetsk sy Luhansk, any Ukraine

Misy Mibodo ny Efitrano Fanjakana An’ny Vavolombelon’i Jehovah any Donetsk sy Luhansk, any Ukraine

Faritanin’i Donetsk

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nisy lehilahy maromaro mitam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana eo amin’ny 3-A Lalana Viliamsa Akademika, tamin’ny faran’ny volana Jona 2014. Nangalarin’izy ireo ny fitaovana elektronika, nosoloany ny hidim-baravarana, ary nataony tobiny ilay trano.

  • Naverina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay trano tamin’ny 13 Aprily 2015.

Horlivka, 75 Lalana Akademika Koroliova

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nobodoin’ny lehilahy maromaro mitam-piadiana ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny 5 Jolay 2014. Nataon’izy ireo toby sy fametrahana fitaovam-piadiana ilay izy. Nilaozan’izy ireo ilay trano tamin’ny Septambra 2014, dia nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hivoriana indray.

  • Niditra tampoka tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro mitam-piadiana, nandritra ny fotoam-pivavahana natao tao tamin’ny 12 Oktobra 2014. Nandidy ny olona rehetra tao izy ireo mba tsy hanaraka ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony. Ny Ortodoksa ihany, hoy izy ireo, no fivavahana nahazo alalana eo amin’ilay faritra. Nolazainy fa kely sisa dia “handripaka ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra” izy ireo. Ataon’ireo lehilahy ireo tobiny ilay Efitrano Fanjakana.

Donetsk, 10 Lalana Karamzina

DONETSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nisy lehilahy maromaro mitam-piadiana niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana tamin’ny 13 Aogositra 2014, ary nataony tobiny ilay izy.

  • Nangalarin’izy ireo ny fitaovana fanamafisam-peo tamin’ny 19 Aogositra 2014, ary nilaozany ilay efitrano. Nampiasa an’ilay Efitrano Fanjakana indray àry ireo Vavolombelona, ary manao ny fivoriany ao.

  • Nankao amin’ny Efitrano Fanjakana ny solontenan’ny Tafika Oplot Fahefatra, rehefa nirava ny fotoam-pivavahana natao tao tamin’ny 18 Oktobra 2014. Nilaza tamin’ireo Vavolombelona tao izy ireo hoe alain’izy ireo ilay trano.

  • Tamin’ny 18 Novambra 2014, dia nisy lehilahy mitam-piadiana nanery an’ireo Vavolombelona mba hanao sonia taratasy milaza hoe eken’izy ireo ny hanomezana ny Efitrano Fanjakana ho an’ny Biraon’ny Komandàn’i Petrovskyi sy Kirovskyi. Ataon’ireo lehilahy ireo tobiny ilay trano izao.

Horlivka, 4 Lalana Hertsena

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’olona.

  • Nanadinadina an’ilay “tompon-trano vaovao” ny tele iray teo an-toerana, tamin’ny 30 Septambra 2014. Nilaza izy fa nalaina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io Efitrano Fanjakana io mba hatao sekoly fianarana ady totohondry. Imbetsaka io trano io no nisy nanimba sy nandoro, nanomboka tamin’ny 2013. Tamin’ny 5 Jona 2014 izy io no saika nisy nandoro farany.

DONETSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro mitam-piadiana, tamin’ny 26 Oktobra 2014. Avy ao amin’ny Tafika Shakhtar an’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Donetsk izy ireo. Ataony toby io trano io izao.

Zhdanivka, 14 Lalana Komsomolska

ZHDANIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nibodo ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro mitam-piadiana avy tao Horlivka, tamin’ny 27 Oktobra 2014, rehefa nilaza fa nahazo baiko avy tamin’ny komandà iray. Nilaza ilay Komandà Lefitra tao Horlivka fa ny Ortodoksa ihany no fivavahana nahazo alalana eo amin’ilay faritra, ary voarara daholo ny ankoatra an’izay.

  • Tonga koa ny komandà iray hafa tamin’ny 21 Novambra 2014, ary nilaza tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ny miaramilany indray no hiandraikitra an’ilay Efitrano Fanjakana.

  • Niala tao amin’ilay Efitrano Fanjakana ireo lehilahy mitam-piadiana tamin’ny 20 Novambra 2015, ary ny Vavolombelon’i Jehovah indray izao no mampiasa azy io.

Telmanove, 112 Lalana Pervomaiska

TELMANOVE: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ilay trano ny lehilahy maromaro mitam-piadiana tamin’ny 4 Novambra 2014, ary nasainy nambenan’ny mpiambina mitam-piadiana izy io.

  • Nitondra fitaovam-piadiana tao amin’ilay trano ireo lehilahy ireo tamin’ny 11 Desambra 2014, ary lasa tobin’izy ireo ao izao.

Makiivka, 17 Lalana Pecherska

MAKIIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy fa avy eo nilaozany.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny miaramilan’ny Tafika Rus tamin’ny 5 Novambra 2014, ary nandidy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanome azy ny lakilen’ilay trano sy tsy hiverina ao intsony. Nesorin’ny solontenan’ny komandà ilay soratra fampahafantarana ny Efitrano Fanjakana ny ampitson’iny, dia ny sainan’ilay tafika no nataony teo.

  • Nilaozan’io tafika io ilay trano tamin’ny 26 Novambra 2014.

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy, dia nilaozany, ary avy eo nobodoin’izy ireo indray.

  • Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana eo amin’ny 105-A Lalana Vitchyzniana ny lehilahy maromaro mitam-piadiana, tamin’ny 29 Novambra 2014. Nilaza tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo izy ireo hoe alainy ilay trano. Nilaza ny iray tamin’izy ireo hoe ny Ortodoksa ihany no fivavahana nahazo alalana tamin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Donetsk eo amin’ilay faritra. Nasain’izy ireo nambenan’ny lehilahy mitam-piadiana ilay trano, ary norarany tsy hiverina ao ny Vavolombelona. Nilaozan’izy ireo ilay trano ny ampitson’iny.

  • Nisy lehilahy maromaro mitam-piadiana niditra indray tao amin’ilay trano tamin’ny 22 Jolay 2016. Nasain’izy ireo nandeha avy hatrany ny mpanatrika rehetra, dia nataony savahao ilay trano.

Zuhres, 1 Lalana Cherniakhovskoho

ZUHRES: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Tamin’ny 20 Desambra 2014, dia nilaza ilay komandà tao amin’ilay tanàna hoe alainy ilay trano. Nandidy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah mba hanome azy ny lakilen’ilay trano izy, ary nandrara azy ireo mba tsy hiverina ao intsony.

  • Naverina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay trano tamin’ny 19 Aprily 2015.

DONETSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro mitam-piadiana, tamin’ny 1 Febroary 2015. Nandidy an’ireo Vavolombelon’i Jehovah izy ireo mba hanome azy ny lakilen’ilay trano sy hanao sonia taratasy milaza hoe homena ny milisy ilay trano mandritra ny ady.

  • Naverina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay trano tamin’ny 29 Febroary 2016. Tsy maintsy namboarina anefa aloha ilay izy, izay vao azon’izy ireo nanaovana fotoam-pivavahana indray.

YENAKIEVE: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nisy lehilahy maromaro mitam-piadiana nangataka ny lakilen’ny Efitrano Fanjakana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 3 Martsa 2015. Nataon’izy ireo toby ilay trano.

HORLIVKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana teo amin’ny 9 Lalana Simferopolska ny lehilahy maromaro mitam-piadiana, tamin’ny 25 Jolay 2016. Nilaza izy ireo fa fivavahana telo ihany no azo ekena ao amin’ilay faritra, ary nikasa “hamongotra ny Vavolombelon’i Jehovah” ry zareo.

Faritanin’i Luhansk

Antratsyt, 4 Lalana Komunarska

ANTRATSYT: Efitrano Fanjakana nobodoin’olona.

  • Indroa no nisy olona tsy fantatra niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny Septambra 2014. Nangalatra ny fitaovana elektronika tao izy ireo, ary nanisy soratra teo amin’ny rindrina hoe “Cosaques Ortodoksa!”

  • Tamin’ny 25 Septambra 2014, dia nilaza ny tele iray teo an-toerana fa nalaina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Efitrano Fanjakana, satria tiana hanaovana zavatra hafa, ohatra hoe akanin-jaza.

  • Naverina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay trano tamin’ny Mey 2015.

Rovenky, 84-A Lalana Dzerzhynskoho

ROVENKY: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro mitam-piadiana avy amin’ny Tafika Md. George, tamin’ny 23 Septambra 2014, ary nandrara ny Vavolombelon’i Jehovah mba tsy hiverina ao. Nataon’izy ireo tobiny ilay trano.

  • Naverina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay trano tamin’ny Aogositra 2015.

PEREVALSK: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Nisy manamboninahitry ny tafika niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana, tamin’ny 5 Novambra 2014. Niaraka tamin’ny lehilahy maromaro mitam-piadiana izy. Nilaza tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tao izy ireo hoe alainy ilay trano ary hataony efitra fisakafoana. Hoy ilay manamboninahitra: “Vita hatreo ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Nilaza tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah teo koa izy hoe tsy ho afaka hanaraka ny fivavahany intsony izy ireo.

Krasnyi Luch, 37 Lalana Radianska

KRASNYI LUCH: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny lehilahy maromaro mitam-piadiana, tamin’ny 5 Desambra 2014. Nasain’izy ireo nambenan’ny lehilahy maromaro mitam-piadiana ilay trano, ary nasiany fiarana miaramila eo an-tokotany.

BRIANKA: Efitrano Fanjakana nobodoin’ny milisy.

  • Niditra an-keriny tao amin’io Efitrano Fanjakana io ny lehilahy maromaro mitam-piadiana, tamin’ny 26 Martsa 2015. Nalain’izy ireo daholo ny fanaka tao, dia nesoriny ny soratra fampahafantarana ny Efitrano Fanjakana, ary nosoloany takelaka nisy soratra hoe: “Don Host Mahery Indrindra.”