Hijery ny anatiny

1 JOLAY 2019
UKRAINE

Nanao Fampirantiana Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine

Nanao Fampirantiana Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine

Nanao fampirantiana Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine, mba hampahafantarana ny nivoahan’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny tenin’ny tanana rosianina (RSL). Dingana lehibe amin’ny asa fandikan-teny ataontsika izany. Nanomboka tamin’ny 7 Oktobra 2018 ilay izy ary nitohy hatramin’ny 7 Jona 2019. Tao Lviv no voalohany, ary avy eo tany Kharkiv, Kiev, Odesa, ary Dnipro.

Alohan’ny hanaovana an’ilay fampirantiana ao amin’ny tanàna iray, dia mizara fanasana amin’ny taratasy sy amin’ny video ny fiangonana tenin’ny tanana ao amin’ilay tanàna, mba hanasana marenina sy olona tsy maheno tsara. Mizara fanasana amin’ny mpanabe sy ny mpanao gazety ary ny manam-pahefana koa ny Sampan’asan’ny Filazam-baovao ao amin’ny sampan’i Ukraine.

Natao tao amin’ny Fikambanan’ny Marenina ao Lviv ilay fampirantiana voalohany, ary naseho tao ny programa elektronika samihafa azon’ny marenina ampiasaina hianarana Baiboly, ohatra hoe ny JW Library Sign Language®. Azon’ny mpitsidika nojerena koa hoe hoatran’ny ahoana ny paozin’ny Baiboly, nanomboka tamin’izy mbola horonana ka hatramin’izy vita boky amin’izao. Afaka nahita Baiboly tamin’ny 1927, ohatra, izy ireo.

Faly isika fa efa misy amin’ny RSL izao Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Azo antoka fa hanampy an’izay mampiasa ny RSL mba hahazo fahalalana marina tsara ny Soratra Masina izy io.—Matio 5:3.