Hijery ny anatiny

10 JOLAY 2015
UKRAINE

Enjehina Noho ny Finoany ny any Amin’ny Faritra Atsinanan’i Ukraine

Enjehina Noho ny Finoany ny any Amin’ny Faritra Atsinanan’i Ukraine

Misy antokon’olona mirongo fiadiana tsy tia Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine. Vavolombelona 26 no nosamborin’izy ireo sy nampijaliny, nanomboka tamin’ny Aogositra 2014. Betsaka ny Vavolombelona any amin’io faritra io, ary malaza ho mitory amin’ny mpiara-belona aminy sy tsy manao politika izy ireo. Nisy korontana tany vao haingana ary tsy nisy lalàna nifehy. Nanararaotra an’izany àry ny mpikambana sasany tao amin’ireo antokon’olona mirongo fiadiana, mba hampijaliana ny Vavolombelona. a

Herisetra

  • Nosamborin’ny polisy tao Stakhanov ny Vavolombelona roa lahy, tamin’ny 21 Mey 2015, noho izy ireo nanao asa mifandray amin’ny fivavahany. Samy 60 taona mahery izy ireo. Nampangaina ho “nanakorontana ny filaminam-bahoaka” izy ireo ary nosazina nandritra ny 15 andro. Nampangaina ho mpitsikilo izy ireo rehefa tany amin’ny paositry ny polisy, ary nofotorana imbetsaka momba ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandefa fangatahana tany amin’ny mpampanoa lalàna teo an-toerana ny mpiara-mivavaka amin’izy ireo, mba hanafahana azy mirahalahy. Tsy neken’ilay mpampanoa lalàna anefa izany. Tsy navela hitsidika azy ireo koa ny havany sy ny mpiara-mivavaka aminy, tamin’ny voalohany. Navela hanatitra sakafo sy akanjo ary fanafody intelo isan-kerinandro anefa izy ireo, tatỳ aoriana. Nafahana tamin’ny 2 Jona 2015 ny iray tamin’ireo Vavolombelona ary ny ampitson’io kosa ny iray, sady nasaina niala tao amin’ilay faritra.

  • Vavolombelon’i Jehovah efatra no nosamborin’ny lehilahy maromaro nirongo fiadiana tany Novoazovsk, tamin’ny 17 Mey 2015. Notampenana ny mason’izy ireo, ka sady nambanana basy izy ireo no nentina tany amin’ny toby miaramila. Nodarohana mafy nandritra ny adiny roa izy ireo sady nampitahorina hovonoina. Notenenin’izy ireo ilay Vavolombelona tanora indrindra hoe tokony hanao miaramila, ary tokony hiaiky izy efatra hoe ny Ortodoksa ihany no fivavahana marina. Nafahana ireo Vavolombelona rehefa avy nogadraina tao anaty fonja vonjimaika tery kely nandritra ny alina.

  • Ny sasany tamin’ireo ratra nahazo an’ireo Vavolombelona roa nalaina an-keriny sy nodarodarohana tany amin’ny faritr’i Novoazovsk

  • Nisy naka an-keriny tany am-piasany any Donetsk ny Vavolombelona iray, tamin’ny 22 Janoary 2015. Lehilahy telo nirongo fiadiana no nanao an’izany. Tsy fantatry ny fianakaviany ny toerana nitondrana azy na ny antony nakana azy. Naverimberin’ilay Vavolombelona foana tamin’izy notazonin’ireo mpaka an-keriny, fa tsy momba ny atsy na ny aroa izy eo amin’ny resaka politika. Nafahana izy rehefa afaka sivy andro.

  • Nisy naka an-keriny ny Vavolombelona roa tany Stakhanov, any amin’ny faritr’i Luhansk, tamin’ny 9 Aogositra 2014. Milisy iray nirongo fiadiana no nanao izany. Nogadraina nandritra ny enina andro izy ireo sady nodarohana imbetsaka. Nampitahorina ny hotapahina rantsambatana sy hovonoina ho faty koa izy ireo. Tsy navela homena sakafo, rano, fitafiana, ary fitsaboana ampy koa izy ireo. Tian’ireo mpaka an-keriny hiala amin’ny finoany mantsy izy ireo, sady hamerimberina ny fanekem-pinoan’ny Fivavahana Ortodoksa sy hivavaka amin’ny sary. Hita àry hoe ny fivavahana mihitsy no olana. Tsy nilavo lefona mihitsy anefa ireo Vavolombelona na teo aza ilay fampijaliana tsy nisy indrafo.

Mampihatra ny zavatra inoany ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny fiainany. Tsy mety miady àry izy ireo, tsy manao fampielezan-kevitra, ary tsy manohana ara-bola an’ireo miaramila mpifanandrina any Ukraine. Notafihin’ny olona nirongo fiadiana ny Vavolombelona, satria tsy miandany na amin’iza na amin’iza sady tsy manaiky ny finoan’ny Ortodoksa. Nampijalina izy ireo mba hanerena azy hiala amin’ny finoany.

Tsy mivadika na eo aza ny fanenjehana

Tsy afaka mamaha an’ilay olana any amin’ny fitsarana ny Vavolombelona, satria mbola mitohy ny ady hoe iza no hifehy an’iny faritra atsinanan’i Ukraine iny. Efa nandefa fitarainana tany amin’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena izy ireo, anisan’izany ny Mpanao Tatitra Manokana Momba ny Fampijaliana eo Anivon’ny Firenena Mikambana.

Tapa-kevitra ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine fa tsy hitsabaka amin’ny politika ary hanohy ny fanompoany sady ho malina foana, na eo aza ny zava-tsarotra atrehiny. Mbola manantena izy ireo fa hanohana ny fahalalahana ara-pivavahana ny fitondrana any an-toerana.

a Notafihin’ny lehilahy nirongo fiadiana i Yuriy, ilay aseho etsy am-piandohana, satria Vavolombelon’i Jehovah izy. Nisy fotoana izy nosakanan’izy ireo teny an-dalana, tamin’izy avy namonjy fotoam-pivavahana. Indroa kosa izy no notafihin’izy ireo tao an-tranony. Noteren’izy ireo hiala amin’ny finoany izy ary tsy hanao an’ireo zavatra fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah.