Hijery ny anatiny

Noarahabaina tonga soa ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, sy ny vadiny, teo amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenen’i Danylo Halytskyi any Lviv.

9 NOVAMBRA 2018
UKRAINE

Niavaka ny Firaisan-tsaina Tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Tany Ukraine

Niavaka ny Firaisan-tsaina Tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra Manokana Tany Ukraine

Vavolombelon’i Jehovah an’arivony no tonga tany Ukraine mba hanatrika an’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra manokana tany Lviv, Ukraine, tamin’ny 6-8 Jolay 2018. Faly nandray azy ireo ny rahalahy sy anabavy teo an-toerana. Solontena 3300 mahery avy any amin’ny firenena sivy no tonga tany, mba hanatrika an’ilay fandaharana ara-baiboly mitondra ny foto-kevitra hoe “Manàna Herim-po”! Tena nafana koa ny fandraisan’ny Iokrenianina azy ireo.

Tamin’ny Aprily 2017 no nanomboka ny fikarakarana. Nifarimbona nanomana ny zavatra hatao amin’ilay fivoriambe sy ny fandraisana ny vahiny ho avy ny Vavolombelona maro niasa an-tsitrapo, nandritra ny herintaona sy telo volana. Afaka nankafy ny zavatra sasany mampiavaka ny kolontsaina iokrenianina ny vahiny, anisan’izany ny dihy sy ny mozika ary ny sakafo. Nentina nitsidika tranombakoka sy lapa fahiny ary ny ampahany amin’ireo Tendrombohitra Carpates tsara tarehy koa izy ireo. Tena nahafinaritra azy ireo koa ny niaraka nanompo tamin’ny Vavolombelona iokrenianina.

Tao amin’ny kianja lehibe iray any Lviv no natao ilay fivoriambe, ary 25000 mahery ny tampon’isan’ny mpanatrika tao. Nalefa mivantana tany amin’ny kianja 15 sy Efitrano Fanjakana maromaro manerana an’i Ukraine ny lahateny sasany, ka 125000 mahery ny fitambaran’ny mpanatrika, ary 1420 no natao batisa rehefa natambatra.

Hoy i Ivan Riher, avy ao amin’ny biraon’ny sampan’i Ukraine: “Efa tsy andrinay izay hahatongavan’ity fotoan-dehibe ity, sy ny handraisana ny rahalahy sy anabavy avy any an-tany hafa. Faly be izahay fa afaka nikarakara azy ireo ary tsapanay hoe vao mainka miray saina sy be herim-po ny mpanompon’i Jehovah maneran-tany.”—Salamo 133:1.

 

Nisy 25489 ny tampon’isan’ny mpanatrika tao amin’ilay kianja lehibe tao Lviv.

Anabavy iray anisan’ny be taona indrindra amin’ireo 1420 natao batisa.

Iray amin’ireo ankizy natao batisa tamin’ilay fivoriambe.

Nampiarahina nanompo ny mpitory teo an-toerana sy ny solontena avy any ivelany, rehefa nanasa ny mponina hanatrika an’ilay fivoriambe.

Nohofain’ny sampana ny toerana fanaovana fampisehoana misy ny sehatra lehibe indrindra ao Lviv. Nisy fampisehoana nahitana dihy sy hira mampiavaka an’i Ukraine tao. Ilay hira hoe “Jehovah no Anaranao” no namaranana an’ilay korana takariva.

Nanao dihy rômania tao amin’ny Lapan’i Svirzh ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana.

Nampiseho soratra maneho ny fitiavany an’ireo mpiara-manompo vahiny ny mpitory eo an-toerana, rehefa nifarana ny fandaharana.