Hijery ny anatiny

Afaka mivory milamina tsara any amin’ny toerana hofana izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine

24 MARTSA 2017
UKRAINE

Nohamafisin’ny Fitsarana Ambony any Ukraine ny Fahafahana Hivory Am-pilaminana

Nohamafisin’ny Fitsarana Ambony any Ukraine ny Fahafahana Hivory Am-pilaminana

Namoaka didy ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Ukraine, tamin’ny 8 Septambra 2016, hoe manan-jo hivory am-pilaminana ny olona ary tsy tokony hosakantsakanan’ny manam-pahefana. Nataon’io Fitsarana io tsy nanan-kery ny ampahany amin’ny Lalàn’i Ukraine Momba ny Fahalalahana Hanaraka ny Feon’ny Fieritreretana sy Momba ny Fivavahana (Lalàna Momba ny Fivavahana), izay nivoaka tamin’ny 1991. Voalaza ao mantsy hoe mila “fanomezan-dalana” avy amin’ny fanjakana ny olona rehefa hanofa toerana hanaovana fotoam-pivavahana. Namoaka didy anefa io Fitsarana io hoe tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana izany fameperana izany, satria mamela ny olona hivory am-pilaminana ny lalàm-panorenana. Tena faly ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine. Sahirana foana mantsy izy ireo rehefa nanofa toerana hivoriana.

Tsy manome fahazoan-dalana ny manam-pahefana

Rehefa manao fifanarahana amin’ny olona ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hanofa toerana hivoriana, dia ampiasain’ny manam-pahefana sasany ilay Lalàna Momba ny Fivavahana mba hanafoanana ny fifanarahana nataon’izy ireo. Saika hanao fivoriambe telo andro tany Sumy, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony tany amin’ny faritra avaratratsinanan’i Ukraine, teo antenatenan’ny taona 2012. Efa vita sonia ny fifanarahana hoe hofana ilay kianja tao, ary efa be dia be ny zavatra natao mba hiomanana amin’ilay fivoriambe. Nampandre ny manam-pahefana ny Vavolombelona, araka ny takin’ny lalàm-panorenana. Nanapa-kevitra tampoka ny Filan-kevitry ny Tanànan’i Sumy, iray volana talohan’ilay fivoriambe, hoe tsy ampy ny mampandre ny manam-pahefana, araka ilay Lalàna Momba ny Fivavahana. Nilaza io filan-kevitra io hoe mila fahazoan-dalana ny Vavolombelona raha te hampiasa an’ilay kianja. Tsy nety nanome an’ilay fahazoan-dalana anefa ilay filan-kevitra.

Kely fotsiny àry ny fotoana nananan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanovana ny toerana hanaovana an’ilay fivoriambe ho any Kharkiv, 200 kilaometatra eo ho eo avy eo Sumy. Vavolombelon’i Jehovah 3500 mahery no tsy maintsy nanova ny fandaharam-potoanany haingana. Be dia be no tsy afaka nanao an’ilay dia nankany Kharkiv mba hanatrehana an’io fotoan-dehibe io satria efa be taona na tsy salama. Tsy nahazo andro tsy iasana koa ny hafa, na tsy nanam-bola handehanana tany Kharkiv. Mbola tsy nanome fahazoan-dalana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany ny Filan-kevitry ny Tanànan’i Sumy, ny taona nanaraka, ka tsy afaka nampiasa an’ilay kianja ny Vavolombelona. Ilay Lalàna Momba ny Fivavahana ihany no nampiasain’io filan-kevitra io.

Hoy i Illia Kobel, avy ao amin’ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Lviv: “Tsy maningana ireny nanafoanana ny fivoriambe tany Sumy ireny. Imbetsaka izahay no sahirana rehefa hanofa toerana hivoriana.” Tsy navelan’ny manam-pahefana tao Vinnytsia hivory tao amin’ny toerana iray nohofana, ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Martsa 2012. Tsy maintsy nanova ny zava-drehetra tao anatin’ny fotoana fohy àry izy ireo. Tsy navelan’ny manam-pahefana hivory isan-kerinandro tao amin’ilay toerana nohofany koa ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Mohyliv-Podilskyi, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Efa telo taona anefa izy ireo no nivory tao. Tsy nanan-tsafidy izy ireo fa tsy maintsy nivory tany an-tranon’olona ary tena tery ny toerana.

Vao haingana izay, tamin’ny Febroary 2015, dia nanizingizina ny manam-pahefana tao Vinnytsia hoe imbetsaka ny Vavolombelon’i Jehovah no nandika lalàna. Tsy nahazo alalana, hono, ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa manao fotoam-pivavahana any amin’ny toerana hafa ankoatra ny toeram-pivavahan’izy ireo. Tsy ampy, hono, ny mampandre ny manam-pahefana.

Mitady vahaolana ny Vavolombelona satria misy lalàna mifanipaka

Tsy dia nanana olana loatra ny Vavolombelon’i Jehovah, tato ho ato, fa afaka nivory nilamina tsara tany amin’ny trano fivoriany ary tsy nosakantsakanan’ny fanjakana. Matetika anefa izy ireo no mila manofa toerana lehibe kokoa rehefa misy fivoriana manokana na fivoriamben’ny vondrom-paritra. Mamela ny fikambanana ara-pivavahana hivory milamina tsara any amin’ny toerana hofana ny Lalàm-panorenan’i Ukraine fa mila mampandre mialoha ny manam-pahefana izy ireo. Hoy Atoa Kobel: “Ny tena olana nahazo anay dia hoe mifanipaka ilay Lalàna Momba ny Fivavahana sy ny lalàm-panorenana. Tsy mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny manam-pahefana mantsy ny lalàm-panorenana. Nalefanay tany amin’ny Vaomiera Parlemantera Iokrenianina Miaro ny Zon’olombelona, na ny Ombudsman, àry ilay olana.”

Anjaran’ny Ombudsman ny manao izay hahazoana antoka hoe ny olom-pirenena iokrenianina rehetra dia afaka mampihatra ny zony, izay arovan’ny lalàna sy lalàm-panorenan’i Ukraine. Niaiky ny Ombudsman, rehefa avy nandinika ny olana natrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe tena mifanipaka tokoa ny lalàm-panorenana sy ny Lalàna Momba ny Fivavahana. Ny lalàm-panorenana milaza fa manan-jo hivory ny olona raha mampandre ny manam-pahefana fotsiny hoe hisy fotoam-pivavahana hatao ao amin’ny toerana iray hofana. Ny Lalàna Momba ny Fivavahana anefa mandrara ny olona tsy hanao fotoam-pivavahana ao amin’ny toerana iray hofana raha tsy hoe manana fahazoan-dalana avy amin’ny manam-pahefana, folo andro alohan’ilay fotoana, fara fahatarany.

Nandefa fitarainana tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana any Ukraine ny Ombudsman, tamin’ny 26 Oktobra 2015. Voalaza tao hoe tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ilay ampahany amin’ny Lalàna Momba ny Fivavahana. Voalaza tao koa hoe zo fototra ananan’ny olom-pirenena rehetra ny zo hivory am-pilaminana. Ankoatra izany dia nolazaina tao hoe: “Tsy tokony hanao zavatra mety hanakantsakana ny olona tsy ho afaka hampihatra ny zony hivory am-pilaminana ny fanjakana.” Nanohana ny hevitry ny Ombudsman ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine ka nandefa taratasy tany amin’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana ary nanazava ny olana atrehiny rehefa manofa toerana hanaovana fotoam-pivavahana izy ireo.

Ataon’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana tsy manan-kery ilay lalàna

Namoaka didy ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana, tamin’ny 8 Septambra 2016, ary nohamafisiny hoe manan-jo hivory am-pilaminana ny olona rehefa avy nampandre ny manam-pahefana. Tsy misy lalàna afaka manohitra an’io zo arovan’ny lalàm-panorenana io. Tsy ny lalàna mihatra ao Ukraine ihany no nodinihin’ilay Fitsarana. Notononiny koa ny Andininy faha-9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, izay miaro ny zo hanana fahalalahana ara-pivavahana, sy ny Andininy faha-11, izay miaro ny zo hivory tsy misy fanakantsakanana tsy marim-pototra avy amin’ny fanjakana. Nambaran’io Fitsarana io àry hoe tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana ny Andininy faha-21, Fizarana faha-5, amin’ny Lalàna Momba ny Fivavahana nivoaka tamin’ny 1991, izay milaza fa tsy maintsy manana fahazoan-dalana avy amin’ny manam-pahefana ny fikambanana ara-pivavahana raha te hanao fotoam-pivavahana ao amin’ny toerana iray hofana.

Fanapahan-kevitra mahafaly

Afaka manao fotoam-pivavahana any amin’ny toerana hofana foana izao ny olona fa tsy ilaina intsony ny miandry ny sitrapon’ny manam-pahefana izay mety tsy hanome fahazoan-dalana. Araka ny lalàm-panorenana, dia tsy azo sakanana ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny toerana hofana, raha efa nampandrenesin’izy ireo mialoha ny manam-pahefana.

Hoy Atoa Kobel, rehefa nilaza ny fihetseham-pon’ireo Vavolombelon’i Jehovah 140000 mahery any Ukraine: “Nanamafy orina ny zo hivory am-pilaminana iny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana vao haingana iny. Faly be izahay hoe tsy sakantsakanan’ny manam-pahefana intsony rehefa manofa toerana hivoriana.”