Hijery ny anatiny

6 JOLAY 2015
UKRAINE

Nalefa Mivantana Tany Amin’ny Faritra Misy Ady any Ukraine Ilay Fivoriana Manokana

Nalefa Mivantana Tany Amin’ny Faritra Misy Ady any Ukraine Ilay Fivoriana Manokana

LVIV, any Ukraine—Nandamina fivoriana manokana ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine, tamin’ny 14 Febroary 2015. Natao izany mba hampaherezana an’ireo mpiara-mivavaka aminy 17000 mahery, izay mipetraka any amin’ilay faritra misy ady any Ukraine atsinanana. Adiny roa ilay fivoriana ary natao tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Lviv. Nampitaina mivantana tany amin’ny faritra atsinanan’i Ukraine sy tany an-toeran-kafa nanerana an’i Ukraine ilay izy. Tonga ara-potoana tsara ilay fandaharana satria nisy nandefa bala afomanga tao Mariupol, tamin’ny 24 Janoary 2015. Trano 61 an’ny Vavolombelon’i Jehovah no simba tamin’izay. Vavolombelona iray no naratra mafy ary iray no maty, nefa vao 16 taona monja.

Olona mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Makiyivka (faritra misy an’ilay ady) mba hihaino an’ilay fivoriana avy any amin’ny sampan’i Ukraine.

Niara-niasa tamin’ny biraon’ny sampan’i Rosia ny tao Ukraine ka nalaina video ilay izy ary nalefa tamin’ny alalan’ny Internet mba hojeren’ny Vavolombelon’i Jehovah any Bélarus sy Rosia. Nahatratra 150841 ny mpanatrika tany Ukraine, ary 186258 ny tany Bélarus sy Rosia, izany hoe 337099 raha atambatra.

Hoy i Gustav Berki, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine: “Nampahery an’ireo mipetraka ao amin’ilay faritra misy ady ny tatitra momba ny fanampiana tra-boina eto Ukraine. Nampilamin-tsaina koa ny nahafantatra fa mikarakara an’ireo namanay mpitsoa-ponenana ny komitin’ny vonjy rano vaky any Rostov-on-Don, any Rosia.”

Hoy i Yaroslav Sivulskiy, mpitondra tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia: “Fantatra eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah hoe tia fihavanana sady tsy manao politika. Nohazavaina tamin’ilay fivoriana hoe nahoana isika no tsy momba ny atsy na ny aroa rehefa jerena ny Baiboly. Vao mainka nazava ny antony tsy hanohanantsika na iza na iza rehefa misy ady, na Rosianina isika na Iokrenianina na any amin’ny firenena hafa.”

Vavolombelon’i Jehovah roa any Horlivka, any amin’ny faritr’i Donetsk, tsy maty rehefa avy nipoahan’ny bala afomanga ny tranony nefa tao anatiny izy ireo.

Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky 14 ny biraon’ny sampan’i Ukraine hatramin’izao, mba hikarakarana an’ireo niharan-doza. Nanome sakafo 149 taonina mahery sy fitafiana 21 taonina ho an’ny mpiara-mivavaka aminy sy ny olon-kafa ao amin’ilay faritra ireo komity ireo. Nandamina ny toerana ipetrahan’ny mpitsoa-ponenana 7600 mahery koa izy ireo. Maro tamin’ireo trano sy Efitrano Fanjakana (toerana fivavahana) simba na rava koa no namboarin’izy ireo. Roa andro taorian’ilay loza tany Mariupol, ohatra, dia nandefa mpiasa an-tsitrapo 160 ny komitin’ny vonjy rano vaky iray mba hanomboka hanamboatra trano simba 34.

Parking nipoahan’ny bala afomanga, eo akaikin’ny Efitrano Fanjakana (tsy hita eto amin’ny sary), any Mariupol.

Tsy zavatra na fitaovana ilaina eo no ho eo fotsiny no omen’ny komity eo ambany fiandraiketan’ny biraon’ny sampan’i Ukraine. Manazava bebe kokoa momba an’izany Atoa Berki. Hoy izy: “Ankoatran’ilay fivoriana manokana, dia mbola mitsidika antokona Vavolombelon’i Jehovah 136 any amin’ilay faritra misy ady ny mpiandraikitra mpitety faritany. Miezaka foana koa ireo anti-panahy any an-toerana mba hampahery an’izay eo ambany fiandraiketany, toy ny efa fanao any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.”

Nomerao azon’ny mpanao gazety antsoina:

Maneran-tany: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Bélarus: Pavel Yadlouski, tel. +375 17 292 93 78

Rosia: Yaroslav Sivulskiy, tel. +7 812 702 2691

Ukraine: Gustav Berki, tel. +38 032 240 9323