Hijery ny anatiny

UKRAINE

Fotoana Niavaka Tany Ukraine

Fotoana Niavaka Tany Ukraine
  1. 23 JONA 2015: Notohanan’ny Fitsarana Ambony Manokana any Ukraine ny zon’ireo tsy nanaiky hanao miaramila noho ny fieritreretany nandritra ny fiantsoana miaramila

    HIJERY MISIMISY KOKOA

  2. 26 SEPTAMBRA 2012: Nosakanan’ny Fitsarana Tampony ny fikasana tsy ara-drariny hoe haka an-keriny ny fananan’ny biraon’ny sampana

  3. SEPTAMBRA 1998: Naorin’ny Vavolombelona ny biraon’ny sampana vaovao tany Lviv

  4. 28 FEBROARY 1991: Voasoratra ara-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah

  5. 30 SEPTAMBRA 1965: Nivoaka ny didim-pitondrana sovietika nanafaka ny Vavolombelona rehetra natao sesitany tany Siberia

  6. 8 APRILY 1951: Nataon’ny fitondrana sesitany tany Siberia ny Vavolombelona 6 100 avy any amin’ny faritra andrefan’i Ukraine

  7. AOGOSITRA 1949: Nolavin’ny fitondrana sovietika ny fangatahan’ny Vavolombelona ho soratana ara-panjakana

  8. 1939: Nenjehin’ny fitondrana nifehy ny faritra andrefan’i Ukraine ny Vavolombelona, ary nogadrainy sy norarany

  9. 1926: Nosokafan’ny Vavolombelona ny biraony voalohany tany Lviv

  10. 1911: Nandamina lahateny ara-baiboly tany Lviv ny Vavolombelona