Hijery ny anatiny

4 OKTOBRA 2012
UKRAINE

Mandresy ny Rariny any Ukraine

Mandresy ny Rariny any Ukraine

Nisy saika haka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny ampahany lehibe amin’ny tany misy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine. Nosakanan’ny Fitsarana Tampony any Ukraine anefa izany tamin’ny 26 Septambra 2012.

Nividy ara-dalàna an’io tany io ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1998. Namidin’ilay tompony taloha tamin’ny Foibe Fampandrosoana ny Fanatanjahan-tena (SDC) indray anefa ilay tany tamin’ny 2008. Zavatra raran’ny lalàna any Ukraine izany.

Nilaza ny fitsarana ambaratonga voalohany fa ara-dalàna ny taratasy fifampivarotana tamin’ny SDC, ka rehefa nangataka ny hampakarana an’ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah dia nolavin’izy ireo.

Nandresy anefa ny rariny. Nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsarana ambony tamin’ny Desambra 2011, ary nolaviny ny fangatahan’ny SDC hampakatra fitsarana an’ilay raharaha, tamin’ny Aprily 2012. Voamarina àry fa ny Vavolombelon’i Jehovah no manan-jo ho tompon’ilay tany. Telo volana taorian’izay dia nofoanan’ny fitsarana ambony tany Lviv ilay didy navoakan’ny fitsarana teo an-toerana hoe ny SDC no tompon’ilay tany. Tsy mifanaraka amin’ny lalàna mantsy ilay izy.

Niala nenina farany ny SDC ka nampakatra an’ilay raharaha tany amin’ny Fitsarana Tampony any Ukraine. Tonga dia nolavin’ilay fitsarana anefa izany tamin’ny 26 Septambra, ka nilamina amin’izay ilay raharaha.

Raha resy tamin’iny adin-tany iny ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ho nafoiny ny trano misy ny biraon’izy ireo sy ny ampahany lehibe amin’ny taniny, ka ho voasakantsakana ny asan’izy ireo ao amin’ilay foibe any Ukraine.