Hijery ny anatiny

UKRAINE

Topy Maso An’i Ukraine

Topy Maso An’i Ukraine

Efa 100 taona mahery izay no nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Ukraine. Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 28 Febroary 1991, taoriana kelin’ny nahazoan’i Ukraine fahaleovan-tena.

Nizaka ny tsy eran’ny ainy ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ukraine noho ny fanenjehan’ny Nazia sy ny Sovietika. Vavolombelon’i Jehovah 6 100 mahery avy any Ukraine andrefana no nalefan’ny Sovietika sesitany tany Siberia, tamin’ny 8 Aprily 1951. Niova kely anefa ny toe-draharaha tamin’ny Jona 1965. Nilaza ny Fitsarana Tampony tany Ukraine fa tsy mampirisika ny olona hikomy amin’ny Sovietika ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah fa boky ara-pivavahana. Tsy nosamborina intsony izay namaky ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola nogadrain’izy ireo ihany anefa izay Vavolombelona tratrany miresaka ny zavatra inoany amin’ny olon-kafa. Nanao famotsoran-keloka faobe ny fitondrana, tamin’ny Septambra 1965, ka nafahana daholo ny Vavolombelon’i Jehovah natao sesitany tany Siberia tamin’ny 1951. Maro tamin’izy ireo anefa no tsy navela niverina tany amin’ny tranony taloha. Nitohy foana ny fanenjehana ny Vavolombelona nefa nijanona izany taoriana kelin’ny 1980.

Miara-mivavaka malalaka tsara izao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manao ny asa fitoriany fa tsy misy sakantsakana ataon’ny manam-pahefana intsony. Matetika anefa no mahery setra amin’izy ireo ny olona tsy tia Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao na inona na inona ny manam-pahefana mba hiarovana ny Vavolombelona na ny trano hivavahany, ary matetika no avelany amin’izao ireo olon-dratsy. Tsy matahotra àry ireo mpampijaly ireo, ka vao mainka manafika ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra moa fa misy an’ilay hotakotaka any Ukraine atsinanana.