Hijery ny anatiny

13 FEBROARY 2015
UKRAINE

Trano Fivavahana Nalain’ny Olona An-keriny any Ukraine

Trano Fivavahana Nalain’ny Olona An-keriny any Ukraine

Naka an-keriny ny Efitrano Fanjakana (trano fivavahana) sasany an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona maro mitam-piadiana, tany Ukraine. Ireo Efitrano Fanjakana any Donetsk sy Luhansk no nalain’izy ireo. Efa amam-bolana no nisy korontana tany amin’ireo faritra atsinanan’i Ukraine ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah no ataon’ireo lehilahy mitam-piadiana ireo lasibatra, satria tsy tia Vavolombelona izy ireo ary tsy miraharaha ny zon’izy ireo hivory sy hanaraka ny fivavahana tiany.

Afaka nanaraka ny fivavahany ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ukraine, nandritra ny 20 taona mahery. Hoy i Vasyl Kobel, Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny biraon’ny sampan’izy ireo any Lviv: “Mamaky Baiboly sy mivavaka any amin’ny trano fivavahanay foana izahay, ary miezaka ho modely eo amin’ny fiaraha-monina. Tandindomin-doza anefa ny Iokrenianina, tato ho ato, noho ilay korontana any atsinanana. Tsy afa-miala amin’izany izahay Vavolombelon’i Jehovah, ary iharan’ny herisetra koa.”

Mahatsapa an’izany koa ireo Vavolombelon’i Jehovah 150000 any Ukraine. An’arivony ny Vavolombelona niala tany amin’ilay faritra misy ady, tato anatin’ny volana vitsivitsy. Mbola misy 17500 eo ho eo anefa ny naman’izy ireo any Donetsk sy Luhansk, izay miezaka manohy ny fiainany andavanandro na dia eo aza ny ady. Vavolombelona an’arivony no tsy manana toerana iarahana mivavaka satria nalain’ny olona ny Efitrano Fanjakana nampiasain’izy ireo. Toerana tery kely any an-tranon’olona àry no tsy maintsy ivorian’izy ireo. Misy koa tsy maintsy mandeha lalana adiny roa mandroso, ary adiny roa miverina, rehefa handeha hamonjy fotoam-pivavahana.

Fankahalana Vavolombelon’i Jehovah no antony nakana an’ireo Efitrano Fanjakana

Tsy hoe kisendrasendra no nakana an’ireo Efitrano Fanjakana fa noho ny fankahalana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zavatra inoany. Nilaza ny lehilahy nitarika antokon-dehilahy iray fa “handripaka ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra” izy satria, hono, ny Eglizy Ortodoksa ihany no fivavahana ekena hijoro ao amin’ilay faritra. Hoy koa ny mpitarika iray hafa: “Vita hatreo ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tapa-kevitra ny hanohy ny asany foana anefa ny Vavolombelona manerana an’i Ukraine na eo aza izany fandrahonana izany.

Marina fa tsy nisy Vavolombelon’i Jehovah naratra rehefa nisy naka an-keriny ireo Efitrano Fanjakana. Tandindomin-doza ihany anefa izy ireo ary atahorana tsy ho afaka hiara-mivory koa. Nirohotra nankao amin’ny Efitrano Fanjakana iray tany Horlivka, any Donetsk, ohatra, ny lehilahy maro nitam-piadiana, nandritra ny fivoriana, ary nandrahona an’ireo mpivory, anisan’izany ireo be taona sy ny ankizikely. Taitra koa ny Vavolombelona, indray mandeha, rehefa tonga hivory tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray. Niova mantsy ny hidin’ilay varavarana ary lasa tobin’ny miaramila ilay trano.

Inona no efa natao?

Hoy Atoa Kobel: “Efa niresaka tamin’ny minisitera samihafa sy manam-pahefana maro ny biraon’ny sampana eto Lviv, mba hampahafantarana azy ireo hoe misy maka an-keriny ireo Efitrano Fanjakana. Mampahafantatra ny fanjakana izany hoe tsy afaka manao na inona na inona amin’ireo trano ireo sy ny zavatra ataon’ireo tompony tsy ara-dalàna izahay.” Nasain’ny biraon’ny sampana koa ireo manana andraikitra eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Donetsk sy Luhansk hanao izay azony atao mba hiarovana ny Vavolombelona tsirairay. Nampahatsiahivina izy ireo fa sarobidy noho ny trano ny aina, ka tsy tokony hanao zavatra mety hampidi-doza ny mpiara-mivavaka aminy izy ireo.

Raha amin’izao korontana izao aloha, dia tsy afaka manao na inona na inona mifandray amin’ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahazoana an’ireo Efitrano Fanjakana ireo indray. Mbola tapa-kevitra ny hanohy ny zavatra fanaony mifandray amin’ny fivavahany foana anefa izy ireo na dia sahirana aza satria nisy naka ny Efitrano Fanjakana maro. Tsy andrin’izy ireo ny hamerenana an’ireny trano ireny aminy. Hahazo aina tsara izy ireo, amin’izay, rehefa mivory ary tsy hatahotra intsony.